I Pekahia na Faseia dia mpanjakan' i Israely nandritra ny roa taona teo antenantenan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. - zanaka nandimby ny mpanjaka Menahema. Nandimby an-drainy tao Samaria i Pekahia. Nandova hatrany ny fivavahan' i Jerôbôama I izy tamin' ny fanompoan-tsampy. Nanjaka tamin' ny taona 738 hatramin' ny 737 i Pekahia araka an' i William F. Albright fa tamin' ny taona 742 hatramin' ny 740 kosa araka an' i Edwin R. Thiele.

Novonoin' ny iray amin' ireo mpitari-tafiny, dia i Peka zanak' i Remalia, tao an-dapany izy, niaraka tamin' ny lehilahy miisa 50 avy any Gileada (na Galaada). Nisolo azy taorian' izany famonoana izany i Peka (na Fasea).

Ny anarany hanova

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe פקחיה‎ / Pəqaḥyāh izy fa amin' ny teny latina kosa dia Phaceia.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).