I Ahaza na Akaza dia mpanjakan' i Jodà teo anelanelan' ny taona 735 sy 715 tal. J.K. Zanak' i Jôtama[1] izy. Izy no mpanjakan' i Jodà faha-12. I Hezekia na Ezekiasa zanany no nandimby azy.

Ny anarany hanova

Amin' ny teny hebreo dia soratana hoe אָחָז / Âkhâz ilay anarana. Fanafohezana ny hoe Ioakhâz (Jôahaza na Jôakaza) izay midika hoe "Iahveh mitazona" ny hoe Âkhâz. Ny Septoajinta (Baiboly jiosy amin' ny teny grika) dia manoratra azy hoe Ἄχαζ / Akhaz ary ny Volgata (Baiboly katôlika amin' ny teny latina) dia manoratra hoe Achaz.

Ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy dia manoratra hoe Ahaza fa ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy kosa manoratra hoe Akaza.

Ny tantarany hanova

Raha vao nanjaka izy dia notafihin' ny mpanjaka tao amin' ny Fanjakan' i Israely atao hoe Peka (na Fasea)[2] sy Rezina (na Rasima) mpanjakan' i Siria[3] izay tsy nahazo fahafaham-po tamin' i Ahaza ny amin' ny tokony hiraisany hina hanohitra an' i Asiria. I Edôma koa dia nanafika an' i Jodà tamin' ny andron' i Ahaza izay voatery tsy naharo ny tananan' i Elata ho azon' ny Edômita. Nitady vonjy tamin' ny mpanjakan' i Asiria atao hoe Teglata-Falasara III[4] i Ahaza mba hanampy azy hanohitra ny fahavalony. Resin' i Asiria tokoa i Siria sy i Israely. Izany no atao hoe ady sirô-efraimita na sirô-efraimika izany ady izany.

Ho takalon' izany fanampiana izany anefa dia tsy maitsy nanome ampahany tamin' ny tahirin-karen' ny Tempoly ho an' i Asiria i Ahaza. Tsy voaraka amin' ny tokony ho izy intsony ny fanompoana tao an-Tempoly sady nanompo ny andriamanitra maro sy ny sampin' i Asiria i Ahaza. Nampangain' ny mpaminany Isaia (na Izaia) ho tsy mahatoky teo imason' i Iahveh ny mpanjaka Ahaza tamin' ny nitadiavan' i Ahaza vonjy tamin' ny Asiriana fa tsy tamin' Andriamanitra. Tamin' ny taona 715 tal. J.K. dia nandimby an' i Ahaza ny zanany atao hoe Hezekia na Ezekiasa.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Nanjaka tamin'ny taona 742-735 tal. J.K. i Jotama.
  2. Nanjaka tamin'ny taona 737-732 tal. J.K. i Peka
  3. Nanjaka tamin'ny taona 742-732 tal. J.K. i Rezina.
  4. Nanjaka tamin'ny taona 745-727 tal. J.K.i Teglata-Falasara.