Jônatana

(tonga teto avy amin'ny Jonatana)

I Jônatana dia zanak' i Saoly na Saola mpanjakan' i Israely. Ny Boky voalohan' i Samoela dia mitatitra fa nisakaiza tamin' i Davida izy na dia fantany fa voatendry ho mpandimby an-drainy eo amin' ny seza fiandrianana aza i Davida. Matin' ny Filistina an' ady tao Gelbôa niaraka tamin-drainy i Jônatana.

I Jônatana sy i Davida mitondra ny lohan' i Gôliata, sary nataon' i Cima da Conegliano, taona 1505-1510.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יְהוֹנָתָן / Yehonatan na יוֹנָתָן / Yonatan io anarana io.