Ny Adimizana no vintana fahafito amin' ny fanandroana malagasy manara-bolana. Ny Asombola no eo alohany ary ny Alakarabo no manaraka azy. Ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy[1]. Vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely.

Mizana

Fiavian' ilay anarana hanova

Fiavian' ilay anarana hanova

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zodiaka amin' ny teny arabo hoe اميزان / Al-Mizan ("mizana") ny hoe Adimizana. Amin' ny faritra maro eto Madagasikara dia atao hoe Alimizana na Alimizà io teny io.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Libra na amin' ny teny frantsay hoe Balance io teny io. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Mizani io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley dia atao hoe Mizan na Neraca ihany koa izany.

 
Antokon-kintan'ny Mizana

Ny antokon-kintana Mizana sy ny zôdiaka hanova

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana Mizana dia amin' ny 31 Oktobra hatramin' ny 22 Novambra. Ny fari-potoan' ny Mizana araka ny zôdiakan-kintana dia eo amin' ny 16 Oktobra hatramin' ny 15 Novambra. Ny Mizana ao amin' ny zôdiaka mikisaka dia eo amin' ny 22 Septambra hatramin' ny 22 Oktobra. Tsy mifanaraka amin' ireo ny fanandroana malagasy noho izy miandry tsinam-bolana.

Ny vintana Adimizana hanova

Toerany hanova

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahafito ny Adimizana ka ny zoron-trano atsimo-andrefana no toerana omena azy. Renivintana ny Adimizana. Mitrotro ny Alakarabo sy mibaby ny Asombola ny Adimizana. Ny Adimizana dia mifandratra amin' ny Alahamady sady mitanila sy miarina eo amin'ny Alohotsy sy ny Adaoro. Ao amin'ny fitetezana andro dia mitondra tonon' andro telo ny Adimizana, dia vava Adimizana (vavan' Adimizana) sy ny vonto Adimizana (na vonton' Adimizana) ary ny vody Adimizana (na vodin' Adimizana).   

Fombany hanova

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery ny Adimizana nefa mety ho tsara na hahafaty mbola kely an' izay ateraka aminy.

Vava Adimizana hanova

Ny zazalahy teraka vava Adimizana dia ho mpivarotra sy mpandranto. Ny zazavavy kosa dia atahorana ho maty kely na nefa mety ho tratra antitra sy hanan-karena.

Vonto Adimizana hanova

Tononandro tsara ny vonto Adimizana ka ny zaza teraka eo dia ho mpanan-karena sy tsy maty vonoina.

Vody Adimizana hanova

Ny vodiy Adimizana dia tononandro tsara ka ny zaza teraka eo dia ho tratra antitra raha tsy maty kely.  

Ny volana Adimizana hanova

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adimizana ho volana fahafito amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin'ny vava Adimizana ka miafara amin'ny vody Asombola ny volana Adimizana raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian'ny vody Asombola dia miafara amin'ny vava Adimizana ny volana izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian'io vava Adimizana io dia mifarana amin'ny vonto Adimizana ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa hanova

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Adimizana", ao amin'ny Rakibolana malagasy sy Rakipahalalàna momba an'i Madagasikara.