Fianakaviam-piteny aostrôaziatika

(tonga teto avy amin'ny Fiteny aostrôaziatika)

Ny fiteny aostrôaziatika dia fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin'ny faritra atsinan'i India. ny teny hoe aostrôaziatika dia avy amin'ny teny grika izay midika hoe "Azia Atsimo". Ny fiteny aostrôaziatika dia miparitaka anaty erana misaratsaraka sady elanelanin'ny faritra itenanana fianakaviam-piteny hafa. Heverina ho fitenin'ny tompon-tany ao Azia Atsimo Atsinanana sy any atsinanan'i India ireo fiteny ireo noho izy ireo mety efa tao talohan'ireo fiteny tai-kaday, fiteny aostrôneziana, fiteny sinô-tibetàna ary fiteny indo-eorôpeana izay nentin'ny mpiavy taty aoriana. Miisa 100 000 000 any ho any ny mpiteny aostrôaziatika tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-21.

Ny sampan'ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika hanova

Ireto avy ny sampan'ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika: ireo fiteny monda, ireo fiteny kasika, ireo fiteny palaongika, ireo fiteny kmoika, ireo fiteny pakanika, ireo fiteny vietnamita, ireo fiteny katoika, ireo fiteny banarika, ireo fiteny kamboiana, ireo fiteny pearika, ireo fiteny nikôbarey, ireo fiteny asly ary ireo fiteny môna.

Jereo koa hanova

Fianakaviam-piteny lehibe hanova

Vondrom-pianakaviam-piteny hanova