Sampam-piteny kasîka
Ny sampam-piteny kasîka na sampam-piteny kasiana dia fianakaviam-piteny aostrôaziatika any amin' ny Lembalemba Shillong, izay tenenina ao amin' ny fanjakan' i Meghalaya any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India sy ny faritra manodidina an' i Bangladesy, ampiasain' ny vahoaka Kasy Ireo fiteny ireo dia fiteny dimy ao anatin' ny sampan' ny fiteny môn-kmera avaratra, dia:
- ny fiteny kasy, izay nanome ny anarany ny voahoaka iray ao India (ny Kasy);
- ny fiteny lingngama, any India;
- ny fiteny pnara, any India;
- ny fiteny oara-jaintia, any Bangladesy;
- ny fiteny maharama, any India.