Maingoka (antokon-kintana)

(tonga teto avy amin'ny Alakarabo (antokon-kintana))

Ny Maingoka dia antokon-kintan'ny zôdiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 20 Novambra hatramin'ny 29 Novambra. Ny antokon-kintan'ny Mizana no eo andrefany fa ny an'ny Bibilava kosa no eo atsinanany.

Antokon-kintan'ny Maingoka

Avy amin'ny teny arabo diai atao hoe اعقرب / Al-Akrab ("maingoka") io antokon-kintana io, izay niavian'ny anaran' ny vintana sy ny volana Alakarabo. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Scorpius na amin'ny teny frantsay hoe Scorpion ("maingoka"). Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Σκορπιός / Skorpios. Amin'ny fiteny soahily dia atao hoe Akarabu na Nge io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Akrab na Kala ihany koa izy.

Ny evan'ny zôdiaka Maingoka, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan'ny masoandro amin'ny 23 Oktobra hatramin'ny 22 Novambra.

Antokon-kintan'ny Maingoka

Jereo koa hanova

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: