Sôgdianôsy

(tonga teto avy amin'ny Sôgdianosy)

I Sôgdianôsy dia mpanjakan' i Persia akemenida nandritra ny enim-bolana sy sasany na fito volana (arakaraka ny loharanon-tantara) tamin' ny taona 424 tal. J.K. Atao hoe Sogdyậna izy amin' ny teny persiana. Zanak' i Artakserksesy I sy i Alôgina na Alôgona, izay tsy vadin' ny mpanjaka, izy. Nanambady ny anabavy tsy iray reny aminy izy, dia i Parisatisy, zanak' i Artakserksesy I sy i Andia avy any Babilôna.

Rehefa avy namono ny mpanjaka Kserksesy II, izay rahalahy tsy iray reny aminy izy tamin' ny taona 424 tal. J.K. dia niakatra teo amin' ny fitondrana. Tsy naharitra izany fahombiazany izany. Tonga koa ny rahalahiny tsy iray reny aminy, izay solontena-mpanjaka (satrapa) tany Hirkania, atao hoe Ôkôsy, ka nikomy taminy niaraka tamin' ny miaramila babilôniana. Nitolo-batana i Sôgdianôsy tamin' ny farany. Nampamonoina an' i Arbariôsy, komandin' ny tafika mpitaingin-tsoavaly, i Sôgdianôsy ka maty tamin' ny taona 424 tal. J.K. Tonga mpanjaka i Ôkôsy ka nitondra ny anarana hoe Dariôsy II.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.