Hoala Persika

(tonga teto avy amin'ny Helodrano persika)

Ny Hoala Persika dia hoala ao amin' ny Ranomasimbe Indiana mihazo ny morontsirak' i Ômàna, ny Emirata Arabo Mitambatra, i Arabia Saodita, i Katara, i Bareina, i Kôety, i Iràka ary i Iràna.

Sarin'ny Hoala Persika azo an-tsatelita.

Tokony ho 233 000 km2 eo ho eo ny velarany, 800 km ny halavany ary 80 ka hatramin' ny 120 km eo ho eo ny sakany. Any amin' ny farany andrefany ny vinany ivarinan' ny ony Arvandrud (na Shatt al-'Arab), izay fifanenan'ny ony Tigra sy Eofrata.

Ao andrefana kosa no misy ny andilan-dranomasin' i Hormuza izay mampifandray ny Hoala Persika amin' ny Hoalan' i Ômàna, ary avy eo ny ranomasimbe.