I Kserksesy I dia mpanjaka isan' ny fianakavia-mpanjaka akemenida.izay nanapaka an' i Persia nanomboka tamin' ny taona 486 hatramin' ny 465 tal. J. K. Teraka tamin' ny taona 519 tal. J.K. sy maty tamin' ny taona 465 (na 475) tal. J.K. izy. I Kserksesy I dia nanjaka tamin' ny empira nivelatra hatrany amin'ny reniranon' i Indosy ka hatrany amin' ny Ranomasina Egea, hatrany amin' ny Sir-Daria kahatrany amin' ny Helodrano Persika sy any amin' ny renirano Nily, ka tafiditra ao i Egipta nandritra ny dinastia faha-27. I Dariôsy I nonanjaka teo alohany ary i Artakserksesy I no nandimby azy teo amin' ny fanjakana.

Sary mivohitra amin' ny vato amin' ny fasan' i Kserksesy I

I Manetôna dia miantso an' io mpanjaka io hoe Kserksesy Lehibe sady milaza fa nanjaka nandritra ny 21 taona izy. Amin' ny teny persiana taloha dia atao hoe Kshayarsha izy, amin' ny teny persàna dia خشایارشا / Ksashâyârshâ. Atao hoe Ahasoerôsy na Asoerôsy (hebreo: אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / Aʾhashverosh) izy ao amin' ny Bokin' i Estera ao amin' ny Baiboly.

Zanak' i Dariôsy I Lehibe sy i Atosa (zanaka vavin' i Kirôsy Lehibe) i Kerksesy. I Amestrisy no anaram-badiny. Ireto avy ny zanany: Artakserksesy I, Histaspesy, Artariôsy, Titraôstesy, Rôdôgina (vavy), Dareiaia, Akemenesy, Amitisy, ary Ratasaha.

Niakatra teo amin' ny fitondrana izy tamin' ny fahafatesan-drainy. Nanamontsana ny fikomiana tany Egipta i Kserksesy I tamin' ny taona 485 sy 464 tal. J.K. ary nampangina ny fikomiana tany Babilôna koa tamin' ny taona 482 tal. J.K.

Nandritra izany fotoana izany dia nanomana fanafihana mitohy tany amin' ny Grika i Kserksesy nandritra ny telo taona. Nandresy an-drainy tamin' ny Ady Medika tamin' ny taona 499 - 490 tal. J.K. mantsy ireto Grika ireto. Araka an' i Herôdôtôsy dia niisa 2 600 610 ny miaramilan' i Kserksesy I, an-tanety sy an-dranomasina. Niampita an' i Helespôntôsy (Dardanela ankehitriny) i Kerksesy sy ny tafiny tamin' ny alalan' ny fanaovana tetezan-tsambo mirefy iray kilômetatra, ary nanao lavaka ambany tany namakivaky ny andilan-tanin' ny tendrombohitra Atosy (Athos).

Nandritra ny lohataon' ny taona 480 tal. J.K. i Kserksesy dia niampita an' i Trakia sy i Tesalia ary i Lokrida niaraka tamin' ny tafiny. Tao Termôfilesy, ny mpanjaka spartiata Leônidasy I sy ny tafiny dia niaro amin-kerimpo ny taniny ka nihemotra folo andro ny fananiham-bohitry ny tafika persiana. Tamin' ny ady tao Salamina tamin' ny volana Septambra dia resin' ny tafika an-dranomasin' ny Grika, izay vitsy sambo kokoa, ny tafika an-dranomasin' i Kserksesy I. Niverina tany Azia Minora i Kerksesy ka navelany tany Gresy (na Grisia) ny tafiny teo ambany fibaikoan' i Mardôniôsy izay resy tao Platea tamin' ny taona manaraka (tamin' ny volana Septambra 479 tal. J.K.).

Tamin' ny fiafaran' ny fanjakan' i Kserksesy I dia niatrika ny fikomiana tany Babilôna indray izy. Tamin' ny taona 465 tal. J.K. dia maty novonoin' i Artabanôsy, mpitarika ny fiambenana ny mpanjaka, i Kserksesy I. Ny zanany Artakserksesy I no nandimby azy teo amin' ny fitondrana ny empira.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.