I Dariôsy II dia zanak' i Artakserksesy I, izay nanjaka tamin' ny empiran' i Persia. Niakatra teo amin' ny fitondrana izy rehefa avy namono an' i Sôgdianôsy (izay namono koa an' i Kserksesy II), tamin' ny taona 424 tal. J.K. Tamin' ny taona 423 tal. J.K. izy dia efa governoran' i Hirkania sady efa nankato azy i Media sy i Babilôna ary i Egipta. Isan' ny fianakaviana akemenida i Dariôsy II. I Artakserksesy II no nandimby azy. I Parisatisy no vadiny ary i Artakserksesy II sy i Kirôsy Zandriny no zanany.

Ny anarany hanova

Amin' ny teny persiana dia atao hoe Dārayavahush i Dariôsy. Ny mpanoratra grika sasany dia manao azy hoe Ochos na νοθος / Nothos. izay midika hoe "tsy manan-dray".

Ny tantarany hanova

Tamin' ny fanapahany dia nanararaotra ny vokatry ny ady tany Pelôpônesôsy ny Persiana, niditra an-tsehatra tamin' izany i Dariôsy II tamin' ny alalan' ny governorany Farnabazôsy sy Tisafernesy, izay nanohana an' i Atenay (na Atena) avy eo an' i Sparta. Tamin' ny taona 412 tal. J.K. dia nanao fifanarahana tao Miletôsy i Sparta fa hamela ny tanànan' i Iônia tamin' ny Persiana, ka ho setrin' izany dia nikarakarana ny andian-tsambo mpiady spartiata ny volamenan' i Dariôsy II.

Tamin' ny taona 411 sy 405 tal. J.K. dia nisy fikomian' ny andriandahy tao Tanisy notarihin' i Amirteôsy sady notohanan' ireo tanàna grika, indrindra i Sparta. Namarana ny fanapahan' i Persiana an' i Egipta izany fikomiana izany. Niatrika ny fikomian' i Media sy i Lidia koa i Dariôsy II tamin' ny taona 409 tal. J.K. Tamin' ny taona 408 tal. J.K. i Dariôsy II dia nandefa ny zanany Kirôsy Zandriny tany Azia Minora mba hampitsahatra amin' ny fomba hentitra ny fikomiana.

Maty tany Babilôna i Dariôsy II ary ny fahafatesany dia nahatonga ny zanany roa lahy hiady fitondrana, dia i Artakserksesy II sy i Kirôsy Zandriny, ity farany no nankasitrahin-dreniny nefa i Artakserksesy II ihany no nahazo ny fitondrana tamin' ny farany.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.