Hanokatra ny renilisitra

I Babilona dia tanàna tamin'ny Andro Taloha tany Mesopotamia niorina teo amin'ny ony Eofrata, any amin'ny 90 km ao atsimon'i Bagdada ankehitriny (Iràka), renivohitr'i Babilonia tamin'ny taonarivo faha-2 sy voalohany tal. J.K. Eo amin'ny lalan-dehibe falehan'ny raharaham-barotra eo anelanelan'ny helodrano Persika sy ny Ranomasina Mediteranea i Babilona ka isan'ireo tanan-dehibe nanana ny maha izy azy tamin'ny Andro Taloha.

Avy amin'ny teny akadiana hoe Bāb-ili na Babil na Bāb-ilim, izay midika hoe "vavahadin'andriamanitra", izay atao hoe Babela ao amin'ny Baiboly ny anaran'i Babilona.

Jereo koa:Hanova