Kirôsy I

(tonga teto avy amin'ny Kirosy I)

I Kirôsy I dia mpankan' i Ansàna tany Persia hatramin' ny taona 600 tal. J.K. ka hatramin' ny 580 tal. J.K., isan' ny mpanjaka akemenida, taranak' i Akemenesy, izay niaina tamin' ny taona 610 hatramin' ny taona 580 tal. J.K. (na 652 - 600 tal. J.K. koa hoy ny olona sasany).

Tombokasen' i Kirôsy I

Amin' ny fiteny persiana taloha izy dia atao hoe Kurush i Kirôsy I, fa amin' ny fiteny persana ankehitriny kosa dia کوروش / Kurosh. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Κῦρος / Kȳros.

Ao amin' ny tetiaran' ny mpanjaka sasany izy dia voaresaka, ka voalaza fa zafikelin' i Akemenesy mpanorina ny fanjakana sy ny Empira Akemenida, sady voalaza koa fa zanak' i Teispesy. Tsy hita ao amin' ny sora-tsokitr' i Behistona, izay nampanaovin' i Dariôsy I, anefa ny momba azy.

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.