I Akemenesy no mpanorina ny fianakavia-mpanjaka (dinastia) Akemenida. Hita ao amin' ny sora-tsokitr' i Behistona, izay nataon' i Dariôsy I sora-tononina, ny anarany izay lazain' i Dariôsy fa razamben' ny mpanjakan' i Asàna (Heshan na Ashan) rehetra sy an' ny mpanjakan' i Persia rehetra. I Teispesy (grika: Τεΐσπης / Teispês) no zanany izay mpanjaka voalohan' i Asàna. Amin' ny teny persiana dia atao hoe Hakhâmanish, izy, fa amin' ny teny grika kosa dia Αχαιμένης / Akhaimenês.

Ny fivelaran' ny Empira Akemenida

Jereo koa hanova

Ireo mpanjaka persiana akemenida:

Akemenesy - Teispesy - Kirôsy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirôsy Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariôsy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianôsy - Dariôsy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariôsy III.