Tantaran' ny Vavolombelon' i Jehovah

Ny tantaran' ny Vavolombelon' i Jehovah dia anomboka tamin' ny taona 1870, fony i Charles Taze Russell lasa lehiben' ny vondrona mpandalina Baiboly tany Pittsburgh, Pennsylvania. Nantsoina hoe "Mpianatra ny Baiboly" ny Vavolombelona tamin' ny voalohany, tamin' ny taona 1917, fony i Joseph Franklin Rutherford no filohan' ilay hetsika. I Rutherford, izay nanambara ny taona 1925 ho datin' ny Hara-magedona, dia nanome tari-dalana vaovao an' ilay hetsika ary nanome anarana azy io hoe "Vavolombelon' i Jehovah" tamin' taona 1931.

Taorian' ny nahafatesan' i Rutherford dia i Nathan Homer Knorr no lasa filohan' ny Watchtower Society izay fikambanana manara-maso ny asan' ny Vavolombelon' i Jehovah. Efa tamin' ny taona 1966 no voalaza fa ny amin' ny taona 1975 no mety ho andron' ny Hara-magedona. Ny tsy fahombiazan' io faminaniana io dia nitarika fanavaozana lehibe, hany ka hatramin' ny taona 1976 dia nomen' ny "filan-kevi-pitantanana" antsoina hoe Governing Body ny fitarihana ny hetsika.

Tamin' ny fitantanan' i Charles Taze Russell hanova

 
I Charles Taze Russell

Nanangana ny fikambanana atao hoe Bible Student Mouvement ("Fikambanan' ny Mpianatra Baiboly") i Charles Taze Russell tamin' ny taona 1870 tao Pittsburgh any Pensylvania any Etazonia. Notoheriny ny finoan' ny ankamaroan' ny Kristiana toy ny amin' ny tsy fahafatesan' ny fanahin'olombelona, ny afobe, ny fiverenan' i Jesoa Kristy indray ho nofo, ny fanendren' Andriamanitra mialoha ny hoavin' ny olombelona tsirairay ary ny Trinite. Aminy dia tsy misy ny afobe, mety maty ny fanahin' olombelona ary hiverina ety an-tany i Jesoa Kristy nefa tsy ho hita maso.

Namoaka ny boky atao hoe Three Worlds (azo adika hoe Tontolo telo) izy sy i Nelson H. Barbour (mpitoriteny nanaraka ny fampianaran' i William Miller). Io boky io dia niresaka ny amin' ny andro farany, ny amin' ny fahatongavan' i Kristy fanahy tamin' ny taona 1874 mba hisantatra ny fijinjana ny vokatry ny Filazantsara ("hanavaka ny vary sy ny tsimparimpary"). Nanambara koa izany boky izany fa ny taona 1914 no namarana ny 2520 taona atao hoe "Andron' ny Jentilisa" sady hahafoana ny fitondran' olombelona eto amin' izao tontolo izao izay hosoloana tanteraka ny Fitondran' Andriamanitra. Nambaran' i Russell fa amin’ ny taona 1818 no hahatongavan’ ny ady ao Hara-magedona hifanaovan' ireo mpanjakan' izao tontolo izao amin' Andriamanitra. Nolazainy fa maro amin’ ireo teraka talohan’ ny taona 1914 no hiatrika ny fahatongavan’ izany ady izany. Nisaraka noho ny tsy fitovian-kevitra i Charles Taze Russell sy i Nelson H. Barbour tamin' ny taona 1879.

Nanomboka ny taona 1879 dia nivory ireo mpanaraka an' i Russell mba hianatra ny Baiboly ao anatina fikambanana. Fikambanana 30 no voatsangana tamin’ izany izay samy nizaka tena. Nanangana ny Watch Tower Society amin' izay i Russell tamin’ ny taona 1881, izay namoaka ny boky atao hoe Watchtower (Ny Tilikambo Fiambenana amin' ny teny malagasy, La Tour de Garde amin' ny teny frantsay). Ny tanjony amin’ izany dia ny hanaporofo fa efa ao amin' ny andro farany isika izao sady ny andro vaovao hanavaozana ny tany sy ny olona dia efa antomotra. Tamin’ ny 1881 dia i William Henry Conley no nitantana ny fikambanana Watch Tower Society. Fizaràna trakta sy Baiboly no asa nataon’ io fikambanana io. Araka ny La Tour de Garde tamin' ny 1881 dia hiaka-belona i Russell sy ny mpianany[1].

Tamin’ ny taona 1910 dia nahatratra tany amin’ ny zato any ho any ny mpitoriteny mandehandeha. Natao hoe “International Bible Students Association” (azo adika hoe "Fikambanana Iraisam-pirenen’ ny Mpianatra Baiboly") ny fikambanana tamin’ izay. Nafindra tany Brooklyn ao New York ny foiben’ ny Watch Tower Society. Tamin’ izany dia efa nahatratra 50 000 ny isan’ ny mpikambana. Tamin’ ny taona 1912 dia i Russell no mpanoratra namoaka gazety maro indrindra tao Etazonia. Maty tamin’ ny 31 Ôktôbra 1916 izy tamin’ ny faha 64 taonany.

Tamin' ny fitantanan' i Joseph Franklin Rutherford hanova

 
I Joseph Franklin Rutherford tamin' ny taona 1919

Tamin’ ny Janoary 1917, i Joseph Franklin Rutherford, mpisolo tena ny fikambanana eo anatrehan’ ny Fanjakana, dia lany ho filoha hitondra ny fikambanana izay nantsoina hoe “Watch Tower Bible and Tract Society”. Nisy tamin’ ireo mpikambana ao amin’ ny Filankevi-pitantanana ny nitsipaka izany fahalaniany izany. Tamin’ ny volana Jona 1917 dia nivoaka ny boky iray, izay atao hoe The Finished Mystery (azo adika hoe "Ilay Zava-miafina Tanteraka", Le Mystère Accompli amin' ny teny frantsay), izay nanangonana ny fanaovan’ i Russell heviteny momba ny Bokin’ i Ezekiela sy ny bokin’ ny Apokalypsy, izay nisy fanovonana nataon’ i Clayton Woodworth sy i George Fisher, samy mpianatra Baiboly. Araka ny voalaza ao amin' io boky io dia hisy fikorontanam-be ny eo amin' ny fanjakan' olombelona sy eo amin' ireo fiangonana kristiana anarany izay ho rava tanteraka[2][3].

Nisy fitsikerana ny fandraisan’ anjaran’ ny Kristiana tamin’ ny Ady Lehibe sy ny mpitondra fivavahana katôlika sy prôtestanta izany boky izany. Notsikerainy koa ny fampiasana miaramila sy ny fanindrahindran-tanindrazana. Nogadraina tamin' izany ny mpitantana ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’ ny taona 1918 fa natao hoe manohitra ny lalàna momba ny asam-pitsikilovana. Ny mpikambana hafa koa dia niharan’ ny herisetram-bahoaka. Tamin’ ny taona 1919 dia novotsorana ireo mpitarika.

Nandritra ny 25 taona nitondran’ i Rutherford dia maro ny fampianarana sy ny faminaniana nipoitra. Isan’ izany ny fanambaràna tamin’ ny 1920 ny amin’ ny hitsanganan’ ireo Patriarkan’ ny Zanak’ i Israely ho velona amin’ ny taona 1925, dia i Abrahama sy i Isaka sy i Jakoba ary i Davida. Izany no hiantombohan’ ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy[4]. Noho ny tsy fahatanterahan’ ny zavatra voalaza amin’ ireo fanambaràna ireo dia maro ny mpikambana niala tamin’ ny Watch Tower Bible and Tract Society ka nanangana fikambanana mpianatra Baiboly hafa. Tamin’ny taona 1930 dia nambaran' i Rutherford fa tamin’ ny taona 1914 no nanomboka ny fanatrehan' i Kristy (atao hoe “parosia”) sy ny fametrahana azy ho mpanjaka. Nanomboka tamin' izany taona izany ihany koa, hoy izy, ny Andro farany.

Tamin’ ny 26 jolay 1931, dia novana ho "Jehovah’s Witnesses" ("Vavolombelon' i Jehovah") ny anaran’ ny Watch Tower Bible and Tract Society. Tamin’ ny 1932 dia ny fandaminana vaovao atao hoe Teôkrasia ("fitondran’ Andriamanitra") no najoron’ i Rutherford hitantana ny fikambanana nefa, raha ny tena marina, dia ny tenany no lasa nitondra tokana[5]. Nanomboka tamin’ ny taona 1932 no nampielezana fa “ondry vitsy” miisa 144 000 no hiaina ao an-danitra ka ny sasany amin’ireo dia olona nitsangana ho velona na olona hiakatra velona avy hatrany any an-danitra. Hiaraka amin’ i Kristy izy ireo hanjaka amin' ny olona rehetra eto an-tany. Ny mpino hafa rehetra ao amin’ ny fikambanana dia hiaina mandrakizay ao amin’ ny paradisa izay hataon’ Andriamanitra eto an-tany. Nihanatanjaka ny fiheveran’ ireo Vavolombelon’ i Jehovah fa fanompoan-tsampy ny fanajana ny sainam-pirenena. Niharan’ ny herisetra noho izany ny Vavolombelona sady tsy faly koa ireo governemanta tamin’ ny firenena maro toa an’ i Etazonia sy i Kanada ary i Alemaina.

Nanomboka tamin’ ny taona 1938 dia nofoanana ny fifidianana ireo mpitantana ny fikambanana fa fanendrena teokratika no natao. Nandritra ny fitondran' i Rutherford dia tsy azo atao ny mankalaza ny noely (izay heveriny fa avy amin' ny fivavahan' ny mpanompo sampy), ny mankalaza ny fetin’ ny reny (izay ataony ho isan' ny paika enti-mitaona ny olona hanohitra ny fanajana an' Andriamanitra), ny manao vaksiny (nofoanan’ ny mpandimby azy ity fampianarana ity), ny mandray anjara amin’ ny zavatra mahakasika pôlitika. Zava-dehibe tamin' i Rutherford ny endriky ny hazo fijalian' i Jesoa ka ny hazo fijaliana mitanambokovoko (lakroa) dia nataony hoe famantarana avy amin’ ny mpanompo sampy satria maty tamin’ ny tsatokazo tokana, hoy izy, i Jeso Kristy.

Maty tamin’ ny 1942 i Rutherford.

Tamin' ny fitantanan' i Nathan Knorr hanova

 
I Nathan Knorr

Voatendry hitondra ny Watch Tower Bible and Tract Society i Nathan Knorr tamin’ ny taona 1942. Nanomboka tamin’ ny taona 1945 dia tsy azon' ireo Vavolombelon' i Jehovah atao ny mamindra ra na ny amindrana ra nefa azo atao vaksiny indray izy ireo. Nampanao fandikan-teny vaovao ny Baiboly amin’ ny teny anglisy (New World Translation of the Holy Scriptures) i Nathan Knorr ka vita tamin’ ny taona 1961 izany. Avy amin’ izany no nandikana ny Baiboly amin’ ny tenim-pirenena hafa rehetra izay ampiasain' ny Vavolombelon' i Jehovah amin' izao fotoana izao. Namoaka fitsipi-pitondran-tena ny fikambanana. Tamin’ ny 1966 no nilazan' i Nathan Knorr fa amin’ ny taona 1975 no hanomboka ny fanjakan’ i Kristy. Nihena ny isan’ ny mpikambana taorian’ ny taona 1975 rehefa tsy tanteraka ny faminaniany. Nanomboka tamin’ ny taona 1976 dia nahena ny fahefan’ ny filohan’ ny fikambanana ka nafindra tamin’ ny Filankevi-pitantanana ny fahefana amin'ny fanapahan-kevitra momba ny zavatra ampianarina sy ny fandaminana ny fikambanana. Maty tamin’ny taona 1977 i Nathan Knorr.

Fitantanana taorian' i Nathan Knorr hanova

 
I Don Alden Adams

Hatramin’ ny 2017 dia miisa telo ireo filoha nifandimby taorian’ i Nathan Knorr. I Frederick William Franz dia nitondra hatramin’ ny taona 1977 ka hatramin’ ny taona 1992 izay nahafatesany tamin’ ny faha 99 taonany. I Milton Henschel dia nitondra teo anelanelan’ ny taona 1992 sy 2000. Ny Vavolombelon' i Jehovah nanomboka tamin' ny taona 1995 dia tsy niresaka intsony ny hoe "maro amin' ireo teraka talohan' ny taona 1914 no tsy maintsy hahita ny adin' i Hara-magedona fahavelony"[6].

I Don Alden Adams no nandimby an' i Milton Henschel nanomboka tamin’ ny taona 2000. Nafindra any Warwick ny foiben’ ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’ ny taona 2009.

Tamin’ ny Avrily 2017, ny Fitsarana Avo any Rosia dia nandrara ny Vavolombelon’ i Jehovah, izay heveriny ho manatratra ny tanjony na amin' ny fomba inona na amin' ny fomba inona, ka nanome baiko fanakatonana ireo sampany ao amin’ io firenena io sy fandravana ny fikambanana rehetra isan-tanàna. Ny fikambanana izay misy mpikambana miisa 175 000 ao Rosia dia nampangaina ho manimba ny fianakaviana, ho mamporisika ny olona amin’ ny fankahalana, ary mihevitra ny mpitondra ao Rosia fa loza ho an’ ny fiainan’ ny olombelona ny Vavolombelon' i Jehovah. Izany fandrarana izany dia nomelohin’ ny Vondrona Eorôpeana sy i Etazonia.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. La Tour de garde de janvier 1881 : « Notre moisson, qui a commencé en 1874, se termine à la fin du « jour de sa colère » et à la fin des « temps des Gentils », en 1914 – une période analogue et parallèle de 40 ans. [...] Nous découvrons [...] que la loi et les prophètes le déclarent présent à la culmination des « cycles du jubilé » en 1874. Et les parallèles nous montrent que la moisson a alors commencé, et que le rassemblement de l’épouse dans un lieu sûr occupe parallèlement une période de sept ans qui se termine en 1881. [...] Nous croyons que le Christ est maintenant présent, dans le sens qu’il a commencé à assumer son pouvoir et son règne. [...] Nous allons maintenant présenter ce que nous alléguons quant aux types et points prophétiques qui semblent indiquer que l’enlèvement des saints et la fermeture de la porte auront lieu en 1881. ».
  2. (fr) Le mystère accompli, tamin'ny taona 1917, pp. 74-76 : « L'examen des passages scripturaires indiqués plus haut montre que le printemps 1918 amènera sur la chrétienté un spasme d'angoisse formidable plus grand que celui de 1914. »
  3. (fr) Le mystère accompli, tamin'ny taona 1917, pp. 302-303 : « Les îles [citées dans Apocalypse 16 : 20] sont les républiques qui disparaîtront aussi très probablement au cours de l'automne 1920. [...] Tous les royaumes de la terre disparaîtront engloutis par l'anarchie. ».
  4. (fr) Des millions actuellement vivants ne mourront jamais, tamin'ny taona 1920, pp. 75-83 : « La chose principale qui doit être restituée à la race humaine, c'est la vie ; et puisque d'autres passages montrent d'une façon positive qu'Abraham, Isaac et Jacob et les autres fidèles des temps anciens ressusciteront et qu'ils seront les premiers favorisés, nous pouvons nous attendre à ce que 1925 voit le retour de la condition de mort de ces hommes fidèles alors ressuscités et complètement rétablis à la position humaine parfaite, et comme représentants visibles et légaux du nouvel ordre de choses ici-bas. [...] Avec l'argumentation précédemment donnée que l'ancien ordre de choses, l'ancien monde se termine et passe, que le nouvel ordre de choses s'installe et que 1925 doit voir la résurrection des fidèles dignitaires des temps anciens ainsi que le commencement de la reconstruction, il est raisonnable de conclure que des millions de personnes actuellement sur la terre y seront encore en 1925. Et, basés sur les données de la parole divine, nous devons dire d'une façon positive et irréfutable que des millions de personnes vivant actuellement ne mourront jamais. ».
  5. (en) Tony Wills, A People for His Name: A History of Jehovah's Witnesses and An Evaluation, Lulu Enterprises, 1967(ISBN 9781430301004), p. 199 : « Although the claim was made that 'the Lord Jesus himself is in charge of his organisation', they realized it would be more truthfull to substitute 'J. F. Rutherford' for 'The Lord Jesus'. » (« Na dia nambara fa ‘ny Tompo Jesosy tenany no niandraikitra ny fikambanany’ dia tsapan’izy ireo fa marimarina kokoa ny manolo hoe ‘J. F. Rutherford’ ny hoe ‘ny Tompo Jesosy’).
  6. (fr) Miviludes, « Rapport de la Miviludes », 2010 (novakina tamin'ny 17 janoary 2012), p. 87 : « Après avoir prophétisé la fin pour 1914, 1925 et 1975, les Témoins de Jéhovah ont renoncé à lui donner une date précise. Mais, comme l’indique leur publication, La Tour de garde, ils restent sur le qui-vive, guettant tous les signes de la fin du « système de choses actuel », dont ils ne doutent guère qu’elle ne soit proche »