Ny fandikan-teny dia ny fampitana ny hevitra entin' ny hafatra iray nosoratana tamin' ny fiteny iray amin' ny fiteny iray hafa. Ny fandikan-teny dia mety atao na am-bava na an-tsoratra.

Noho ny fangatahan' ny raharaham-barotra iraisam-pirenena nanomboka tamin' ny revolisiona indostrialy tamin' ny taonjato faha-18 dia niforona ny asan' ny mpandika teny miaraka amin' ny fianarana mandika teny sy ny orinasa fandikan-teny.

Noho ny asa lehibe takîn' ny fandikan-teny dia nanomboka nitady fomba hanaovana fandikan-teny mandeha hoazy ny injeniera – izay fantatra amin' ny anarana hoe fandikan-teny ataon' ny milina – na fanampiana ny mpandika teny hanao ny asany. Nahamaro ny mpandika teny ataon' ny milina ny fisehon' ny Aterineto, ary nahamora ihany koa ny fifandraisan' ny mpanjifa sy ny mpandika teny matihanina izany.

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.