Ny Sakave dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Volambita no eo alohany ary ny Asaramantsina no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy manonona hoe Sakavo, Sakavehy. Ny Bezanozano dia mampiasa ny teny hoe Tsimakamaka. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy fanonona aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.

Amin'ny Antambahoaka dia volana fahafolo ny Sakave, volana fahasivy amin'ny Antesaka, volana fahasivy koa amin'ny Antanosy (Rakotosaona, 1972)[1]. Mifanandrify amin'ny volana Jolay izy amin'ny Bara (Rakorosaona, 1972)[1].

Jereo koa hanova

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity: hanova

Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo: hanova

Samihafa hanova

Boky azo anovozan-kevitra hanova

  • Rakotosaona, Rakibolana, 1972/1975 (tsy voatonta).
  • Deschamps Hubert, Le dialecte Antaisaka, Imprimerie Moderne de l'Emyrne. 1936.
  • David sy Irrigaray, Lexique des dialectes du Nord de Madagascar, 1952.
  • Richardson James (Rev.), A New Malagasy-English Dictionary, The London Missionary Society, Antananarivo, 1885. Reprinted in 1967 by Gregg Press Limited, 1 Westmead, Farnborough, Hants., England, 1885
  • Gwyn Campbell, David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar", 2012,
  • William Ellis, History of Madagascar: Comprising Also the Progress of the Christian Mission Established in 1818 ..., 1838.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. 1,0 et 1,1 "Sakave" in Rakibolana malagasy sy Rakipahalalana momba an'i Madagasikara.