Hatsiha
Ny Hatsiha dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny volana Vatravatra no eo alohany ary ny Volasira (na Valasira) no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy nanonona hoe Hasia, Hatsia, Asiha na Hatsiaka. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-potoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.
Amin'ny Antesaka sy amin'ny Antanosy dia volana fahatelo ny Hatsiha[1]. Volana fahafito kosa izy amin'ny Bezanozano izay manonona azy hoe Atsia[2]. Amin'ny Betsimisaraka, ny Hatsia dia volana voalohany ao amin'ny taona: "manomboka mitselitra sy mikotroka ny andro"[3].
Jereo koa
hanovaAnaram-bolana malagasy avy amin'ny teny sanskrity:
hanova- Hatsiha - Volasira - Faosa - Volamaka - Hiahia - Sakamasay - Volambita - Sakave - Asaramantsina - Asaramanitra - Asotry - Vatravatra.
Anaram-bolana malagasy avy amin'ny teny arabo:
hanova- Alahamady - Adaoro - Adizaoza - Asorotany - Alahasaty - Asombola - Adimizana - Alakarabo - Alakaosy - Adijady - Adalo - Alohotsy
Samihafa
hanovaBoky azo anovozan-kevitra
hanova- Rakotosaona, Rakibolana, 1972/1975 (tsy voatonta).
- Deschamps Hubert, Le dialecte Antaisaka, Imprimerie Moderne de l'Emyrne. 1936.
- David sy Irrigaray, Lexique des dialectes du Nord de Madagascar, 1952.
- Richardson James (Rev.), A New Malagasy-English Dictionary, The London Missionary Society, Antananarivo, 1885. Reprinted in 1967 by Gregg Press Limited, 1 Westmead, Farnborough, Hants., England, 1885
- Gwyn Campbell, David Griffiths and the Missionary "History of Madagascar", 2012,
- William Ellis, History of Madagascar: Comprising Also the Progress of the Christian Mission Established in 1818 ..., 1838.