Nosy Miparitaka

(tonga teto avy amin'ny Nosy Malagasy)

Ny Nosy Miparitaka na Nosy Malagasy, izay atao amIn' ny teny frantsay hoe Îles Éparses, dia nosy maromaro ao amin' ny faritra andrefana amin' ny Ranomasimbe Indianina, manodidina an' i Madagasikara. Mizara dimy ireo nosy ireo, dia ny Nosy Europa (na Nosy Ampela), i Bassas da India (na Nosy Bedimaky) ary i Juan de Nova (na Nosy Kely) ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika andaniny; ny Nosy Glorieuses (na Nosy Sambatra) sy ny Nosy Tromelin kosa ankilany, izay samy any avaratra sy atsinanan' i Madagasikara.

Sarin-tanin' ny Nosy Miparitaka na Nosy Malagasy

Nanomboka tamin' ny taona 2007 dia anisan' ny distrika dimy ao amin' ny Tany Atsimo sy Antarktika Frantsay (frantsay: Terres australes et antarctiques françaises --TAAF) (miaraka amin' ny Nosy Saint-Paul sy ny Nosy Amsterdam, ny Vondro-nosy Crozet, ny Nosy Kerguelen, ary i Terre Adélie), ny Nosy Miparitaka. Tsy manana mponina sivily maharitra ireo nosy ireo, nefa mifandimby mipetraka any ny miaramila frantsay isaky ny 45 andro, afa-tsy ny ao Tromelin, izay misy mpiasan' ny TAAF.

Ny Nosy Miparitaka dia takin' i Kômôro sy i Madagasikara ary i Maorisy amin’ ny ampahany.

Toerana misy azy ireo

hanova
 
Tazana ny ampahany amin' ny Nosy Europa avy eny an-tampon' ny tilikambo-jiro
 
Sarintanin' ny Nosy Miparitaka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana.

Voahodidin' ny Vondrona Aldabra (an' i Seisely) any avaratra sy ny Vondro-nosy Kômôro any andrefana ny Nosy Glorieuses. Voahodidin' i La Réunion sy i Maorisy any atsimo-atsimo-atsinanana, ny vondro-nosy Saint-Brandon any atsinanana ary ny vondro-nosy Agaléga any avaratra-atsinanana ny Nosy Tromelin.

Fiandrianana

hanova

Fiandrianam-pirenena frantsay

hanova

Tamin' ny taona 1896 dia nanambara ny fanjakana mpanjana-tany frantsay fa lasa zanatany frantsay "i Madagasikara sy ny nosy miankina aminy". Lasa fizaràn-tany tantanin' ny Prôtektôratan' i Madagasikara ny Nosy Miparitaka any amin' ny Ranomasimbe Indiana. Na izany aza, tamin' ny ankatoky ny fahaleovantenan' i Madagasikara (26 Jona 1960) dia namoaka didy ny fanjakana frantsay izay nanaisotra ny harambato Tromelin, ny vondronosy Glorieuses ary ny nosy Juan de Nova, i Europa ary i Bassas da India avy amin' ny tanin' ny Repoblika mizakatenan' i Madagasikara" (izay noforonina tamin' ny 14 Ôktôbra 1958) mba hametrahana azy ireo eo ambany fahefan' ny minisitra miandraikitra an' i Frantsa any ampitan-dranomasina.

Tamin' ny fotoana nahazoan' i Madagasikara fahaleovantena tamin' ny taona 1960 dia tena nanan-danja ny tombotsoa ara-jeôpôlitika ao amin' ny Nosy Miparitaka any amin' ny Ranomasimbe Indiana, satria eo amin' ny lalana an-dranomasina manan-danja mampitohy an' i Azia sy ny Atsinanana Afovoany amin' i Eorôpa sy i Amerika ireo nosy ireo, izay manana faritra ara-toekarena manokana (frantsay: zone économique exclusive -- ZEE) ary mety ho toerana fanaovana andrana nokleary. Ao anatin' izany toe-javatra izany no nanamafisan' ny jeneraly de Gaulle indray ny maha zava-dehibe ny tsy fisian' ny fitakiana ny fiandrianam-pirenen' i Madagasikara amin' ireo nosy ireo:

“Mampitandrina ny Quai d'Orsay aho amin' izay mety ho fananan' i Madagasikara fahefana amin' ny nosy sy nosy madinika frantsay mifanila aminy. Tsy mitombina veively izany ary mety hiteraka vokadratsiny. Mety ho tena manan-danja azo tsapain-tanana amintsika ireo nosy sy ny nosy madinika ireo, indrindra momba ny fanandramana atômika. Noho izany dia tsy ankasitrahako ny hampidirana an' i Madagasikara na amin' inona na amin' inona mitranga ao amin' ireo nosy ireo, indrindra ny momba ny toetrandro.[1]"

Fanoherana ny fiandrianam-pirenena frantsay

hanova

Manohitra ny fananan' i Frantsa fiandrianana amin' ireo nosy ireo i Maorisy sy i Madagasikara ary i Kômôro. Mitaky an' i Tromelin i Maorisy ary milaza fa io nosy io, izay hitan' i Frantsa tamin' ny taona 1722, dia tsy nomena an' i Frantsa tamn' ny Fifanarahana tany Paris tamin' ny taona 1814. Mitaky ny fiandrianam-pirenena amin' ny Vondro-nosy Glorieuses na Nosy Sambatra (anisan' izany i Banc du Geyser) kosa i Madagasikara, na dia tsy anisan' ny Prôtektôrata frantsain' i Madagasikara mihitsy aza ireo nosy ireo, izay anisan' ny Zanatanin' i Mayotte sy ny nosy miankina aminy, avy eo dia anisan' ny Kômôro Frantsay izay lasa zanatany nisaraka tamin' i Madagasikara tamin' ny taona 1946. Mitaky ny Vondro-nosy Glorieuses (anisan' izany i Banc du Geyser), amin' ny maha ampahany. ao amin' ny Faritr' i Mayotte azy (izay iadiana hevitra) i Kômôro. Ankoatra izany dia efa nitaky an' i Bassas da India (na Nosy Bedimaky) sy an' i Europa (na Nosy Ampela) ary an' i Juan de Nova (na Nosy Kely) koa i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 1972, ary nitaky ny hamindrana ireo nosy ireo ho an' i Madagasikara ny fehin-kevitry ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 1979 (izay tsy misy fahefana manery). Nitaky ny sasany amin' ny Nosy Miparitaka ihany koa i Seisely talohan' ny fanaovan-tsonia ny Fifanarahana momba ny sisintany an-dranomasina nataon' i Frantsa sy i Seisely (France–Seychelles Maritime Boundary Agreement).

Fitakian' i Madagasikara

hanova

Tsy mampametra-panontaniana momba ny fanakambanana ireo nosy ireo amin' i Frantsa i Madagasikara talohan' ny taona 1973, nandritra ny fifampiraharahana momba ny fifanaraham-piaraha-miasa vaovao nataon' ny filoha malagasy Didier Ratsiraka, izay notohanan' ny Firaisana Sôvietika tao anatin' ny Ady Mangatsiaka, dia nanohitra ny fanapahan-kevitry ny Frantsay tamin' ny taona 1960 izy tamin' ny filazany fa nanitsakitsaka ny tsy maha azo anombinana ny tanin' ny firenena voazanaka izay nahazo fahaleovantena izany fanapahan-kevitra izany.

Nolavin' i Frantsa ny famerenana an' ireo nosy ireo amin' i Madagasikara, amin' ny fiheverana fa izao fisarahana izao dia nankatoavin' ny gouvernementa malagasy sy ny filoha Philibert Tsiranana. Ankoatra izay dia noheverin' ny Frantsay ho tsy mbola nisy Malagasy nonina mihitsy tao amin' ireo nosy ireo.

Manoloana ny fandavan' ny Frantsay dia nanapa-kevitra ny hampiakatra ny raharaha any amin' ny Firenena Mikambana i Madagasikara. Nandefa telegrama tany amin' ny sekretera jeneralin' ny Firenena Mikambana, Kurt Waldheim, ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, tamin' ny taona 1976, mba hanamafisana ny fiandrianan' i Madagasikara amin' ny Nosy Miparitaka, ary tamin' ny taona 1979 dia nanoro hevitra ny hamerenan' i Frantsa amin' i Madagasikara ireo nosy ireo, na farafaharatsiny hanomboka fifampiraharahana momba ny famerenana azy ireo indray, ny fehin-kevitry ny Firaisambe Afrikana sy ny an' ny Vondron-tany tsy momba ny atsy na ny aroa ary ny an' ny Filankevi-pitantanan' ny Firenena Mikambana. Nandritra izany fotoana izany dia nandefa fanoherana i Madagasikara tamin' ny 21 Marsa 1978, rehefa niforona ny faritra ara-toekarena manokana tamin' ny volana Febroary ary nanao toy izany koa tamin' ny fananganana faritra ara-toekarena manokana izay mirefy 200 maily tamin' ny taona 1985.

Avy eo, nandritra ny folo taona mahery kely, dia nitsahatra ny fitakiana ireo nosy ireo, mandra-pahatongan' ny taona 1999, raha nanapo tolo-kevitra ny fivoriana an-tampony nataon' ny Vaomieran' ny Ranomasimbe Indianina ny amin' ny fiaraha-mitantana ny Nosy Tromelin sy ny Nosy Miparitaka eo amin' i Frantsa sy i Madagasikara ary i Maorisy, izay niteraka ny fanaovan-tsonia fifanarahana teo amin' i Maorisy sy i Frantsa tamin' ny taona 2010. Amin' ny lafiny iray dia mbola miaro ny tsy fahafaha-manasaraka aminy ny Nosy Miparitaka i Madagasikara, araka ny lahatenin' ny filoha Marc Ravalomanana tao amin' ny fivorian' ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 2006 sy 2007 ary 2008, izay nanampy amin' ny fitazonana ny sata misy an' ireo nosy ireo.

Tamin' ny volana Mey 2019 dia naneho ny fahavononany hanao dinika hisian' ny vahaolana iraisana ny filohan' ny Repoblika Frantsay, Emmanuel Macron, tamin' ny alalan' ny fananganana vaomiera iaraha-miasa amin' i Madagasikara, nefa tsy nisy fiantsoana fitsarana iraisam-pirenena izany. Tamin' ny 18 Nôvambra 2019 dia nisy delegasiôna roa nivory tao Antananarivo mba hanombohana ny dinika fanomanana, ao anatin' ny vaomiera iraisana izay natomboky ny filoham-pirenena frantsay sy malagasy, natomboka tamin' ny volana Mey 2019. Tombanana ho tamin' ny volana Jona 2020, datin' ny faha-60 taonan' ny fahaleovantenan' i Madagasikara, ny fifanarahana vokatr' izany dingana izany. Nandritra izany fotoana izany, tamin' ny Janoary 2020 dia nitsipaka izay mety ho fitakiana fiandrianam-pirenena ataon' i Frantsa amin' i Tromelin sy amin' ny faritra ara-toekarena manokana ao amin' io nosy io ny Repoblikan' i Maorisy ary nanambara ny fiandrianam-pireneny manontolo amin' i Tromelin sy amin' ny fari-dranomasina ao aminy. Nilaza ny mpitonda frantsa fa tsy misy lanjany araka ny lalàna ny failazan' i Maorisy, satria tsy niraharaha ny maga fizatan-tany frantsay an' i Tromelin izay nampiharan' i Frantsa ny fiandrianany manontolo tsy nisy fahatapahana.

Ny 21 mey 2020 dia nisy solombavambahoaka malagasy enimpolo eo ho eo izay niantso ny fanelanelanan' ny Vondrona Afrikana sy ny Southern African Development Community (SADC) amin' ny fifampidinihana eo amin' i Frantsa sy i Madagasikara momba ny Nosy Miparitaka. Tamin' ny 26 Jona 2020 dia nanao sonia fanambaràna manohana ny fanakambanana ny Nosy Miparitaka amin' i Madagasikara ny firenena mpikambana ao amin' ny SADC (Afrika Atsimo, Angôla, Bôtsoana, Kômôro, Lesôtô, Malaoy, Maorisy, Môzambika, Namibia, Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, Seisely, Esoatiny, Tanzania, Zambia ary Zimbaboe), niaraka amin' ny fampahatsiahivana ny fehin-kevitry ny minisitra tao amin' ny Firaisambe Afrikana sy ny an' ny fivoriamben' ny Firenena Mikambana.

Tamin' ny volana Marsa 2021, nandritra ny filankevitry ny SADC, dia namerina nanohana ny fitakian' i Madagasikara ny Nosy Miparitaka ny firenena mpikambana teo anatrehan' ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Djacoba Tehindrazanarivelo.

Nihemotra ny fifampidinihana teo amin' i Frantsa sy i Madagasikara izay saika hatao tamin' ny taona 2020 noho ny valan' aretina Covid. Tokony hanomboka indray izany tamin' ny Nôvambra 2022 saingy nahemotra noho ny fanesorana ny minisitry ny Raharaham-bahiny noho ny fankahalany ny fanakambanan' i Rosia ny ampahany amin' i Okraina.

Tamin' ny nahenoana ny fizakan' i Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay dia maro ny Malagasy izay tsy nanantena intsony ny fahavitrihan' ity filoham-pirenena ity hitaky ny Nosy Malagasy ho an' i Madagasikara.

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Lahatsoratra nadika amin' ny teny malagasy: « Je mets en garde le Quai d'Orsay pour n’importe quelle emprise de Madagascar sur les îles et îlots français avoisinants. Cela ne se justifie d’aucune manière et risque d’entraîner des inconvénients. Les îles et îlots peuvent revêtir pour nous une importance réelle, notamment en ce qui concerne nos expériences atomiques. Je n’approuve donc pas qu’on introduise Madagascar en quoi que ce soit qui se passe dans ces îles, notamment en ce qui concerne la météo,. »