Jamaîka

(tonga teto avy amin'ny Jamaika)
Jamaica ((en))
Jamaika ((mg))
Sainan'i Jamaika Mari-piandrian'i Jamaika
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Out of Many One People
Teny ofisialy fiteny anglisy
Renivohitra Kingston
17°59′N 76°48′W / 17.983°N 76.800°W / 17.983; -76.800
Tanàna ngeza indrindra Kingston, Montego Bay
Fitondrana sy governemanta
 - Mpanjakavavy
 - Governoran'i Jamaika
 - Praiministra
Fanjakana ara-antenimiera
Elisabeth II
Patrick Allen
Andrew Holness
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 158
11 425 km²
1,5
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 135
2 804 332 mpo.
245 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Jamaikana, Jamaikanina
Sandam-bola Dollar jamaikanina (JMD)
Faritr'ora UTC -5
Hiram-pirenena Jamaica, Land We Love
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+1-876

I Jamaîka dia firenena any Amerika Afovoany, anisan' ny Antilia, ao amin' ny Ranomasina Karaiba, ao andrefan' i Haity sy ao atsimon' i Kioba. Ny renivohiny dia i Kingston.

Ankoatra ny morontsiraka atsimo, izay ahitana lemaka midadasika, dia be tendrombohitra ny nosy Jamaîka: ny tangoron-tendrombohitra lehibe indrindra, ny Blue Mountains, dia mahatratra 2 256 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina. Isan-karazany ny zavamaniry: sedera, mahogany, palisandra, hazo ebôny, hazo rofia zeny, voanio, sns. Ny biby, toy ny an' ny amin' ny nosy sisa amin' ireo Antilles, dia ahitana karazana vorona maro. Ny ankamaroan' ny Jamaikana dia taranaky ny andevo mainty nentina tany amin' ilay nosy teo anelanelan' ny taonjato faha-17 sy faha-19, manampy azy ireo ny Eorôpeana sy ny Aziatika (Indiana sy Sinoa). Ny kristianisma no fivavahana be mpanaraka ao amin’ io nosy io.

Ny fambolena no seha-pihariana nentim-paharazana ao, nefa ny toekaren' i Jamaika dia mifototra amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany (izy no mpamokatra baoksita fahatelo lehibe indrindra eran-tany) sy ny fizahantany.

Anarana hanova

Avy amin' ny fiteny araoàka hoe Xamayca (midika hoe "tanin-kazo sy rano") io firenena io; ny Araoàka dia tonga tany Jamaîka tamin' ny taonjato faha-11.

Tantara hanova

I Christophe Colomb no Eorôpeanina nahita azy voalohany tamin' ny taona 1494, ary namorona ny tanàna Sevilla la Nueva (ankehitriny atao fotsiny hoe Seville, tanàna any andrefan' i Saint Ann's Bay eo amin' ny morontsiraka avaratra). I Colomb dia nampiasa ilay tanàna ho an' ny fianankaviany. Elaela taty aoriana, niala tao Sevilla la Nueva ny mpanjana-tany espaniôla, satria nolazainy fa tsy azo ipetrahana, nifindra toerana tany amin' ny faritra atsimon' i Jamaîka ny Espaniôla. Tany izy no namorona tanàna vaovao: Santiago de la Vega (ankehitriny Spanish Town). Ny teratany araoàka dia nataon' ny Espaniôla ho mpiasany sy andevony, ary voaringana haingana ny ankabeazan' ny Araoàka tao Jamaîka. Efa tsy nisy teratany intsony tao Jamaîka tamin' ny faran' ny taonjato faha-16.

Ny amiraly anglisy Penn sy ny jeneraly Venables dia naka ilay nosy tamin' ny taona 1655 ary lasa zanatany britanika noho izany ny Jamaîka tamin' ny taona 1670, teo anelanelan' izany, ny ankabeazan' ny mpanjanatany espaniôla dia niala tao Jamaîka ary nakany Kioba, mbola espaniôla. Ny amiraly Penn dia nanova ny anaran' i Santiago de la Vega ho Spanish Town.

Jeôgrafia hanova

Vohon' ny tany hanova

Ankoatra ny morontsiraka atsimo, izay ivelaran' ny lemaka dia be tendrombohitra ny nosy Jamaika: ny tandavan-tendrombohitra lehibe indrindra, ny Blue Mountains  ("Tendrombohitra Manga"), dia mahatratra 2 256 m.

Zavamaniry sy biby hanova

Isan-karazany ny zavamaniry: sedera, rotse (mahogany), palisandra, ebena, palmie zeny, voanio, sns. Ahitana karazam-borona maro ny any, toy ny an’ny any amin’ny faritra misy ireo nosy Antilia.

Mponina hanova

Ny ankamaroan' ny Jamaikana dia taranaky ny andevo mainty nentina tany amin' ilay nosy teo anelanelan' ny taonjato faha-17 sy faha-19, izay nampian' ny Eorôpeana sy Aziatika (Indiana sy Sinoa). Ny kristianisma no fivavahana be mpanaraka indrindra ao amin' ilay nosy.

Toekarena hanova

Ny fambolena no sehatr' asa nentim-paharazana any Jamaika nefa ny toekareny dia miha mifototra amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany sy ny fizahan-tany. Izy no mpamokatra baoksita fahatelo lehibe indrindra eran-tany.

Jereo koa hanova

Firenena ao Amerika:

Kôntinenta eto an-tany

Rohy ivelany hanova

Miteny anglisy hanova

Governemanta
Fampahalalàna hafa
 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.