Dravidiana (vahoaka)

Ny Dravidiana dia vahoaka tsy Ariana sy tsy Himalaiana any India, izay miteny dravidiana. Miisa 30 ny fiteny dravidiana voaisa, izay tetenin' ny olona miisa 250 tapitrisa any ho any. Ny ankamaroan' ireo fiteny ireo dia tenenin' ny olona ao amin' ny tapany atsimon' ny Saikanosy Indiana, afa-tsy fiteny roa any avaratra, dia ny fitenin' ny Brahoy any avaratra-andrefana sy ny an' ny Koroky sy Maltô any avaratra-atsinanana. Misy mpiteny dravidiana koa ny any Srilanka, dia ny fiteny tamily. Ny foko dravidiana maro anisa indrindra dia ny Telogo, ny Tamily (na Tamoly), ny Kanadiga ary ny Malaialy, izay misy olona 30 hatramin' ny 70 tapitrisa isanisany. Misy koa ny foko madinika maro izay mahatratra 1 hatramin' ny 5 tapitrisa isanisany any Pakistàna sy ao amin' ny faritra afovoan' i India.

Sarin-tany maneho ny faritra misy ireo foko dravidiana

Fivavahan' ny Dravidiana

hanova

Ny ankamaroan' ny Dravidiana dia mpino hindoista, nefa misy koa ny Mozilmana (ohatra amin' izany ny Brahoy), misy ny Kristiana (toa ireo ao Pondichery), misy ny manaraka ny jodaisma (toa ireo ao Calicot sy Cochin).

Ny vondrom-poko dravidiana

hanova

Ny vondrom-poko dravidiana lehibe indrindra dia ny Telogo any Andhra Pradesh (India) sy Telangana, ny Tamily any Tamil Nadu (India), any Srilanka, any Malezia ary any Singapôro; ny Kanadiga any Karnataka (India), ny Malaialy any Kerala (India), ary ny Tolo any Karnataka. Ny antontanisa ôfisialy dia manome izao tombantombana momba ny isan' ny mponina izao tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21:

Ny Kanadiga

hanova

Ny Kanadiga dia miteny kanada monina any India Atsimo, ao amin' ny fanjakan' i Karnataka. Misa 44 tapitrisa izy ireo.

Ny Malaialy

hanova

Ny Malaialy dia any sy avy any amin' ny fanjakan' i Kerala sy Lakshadweep any India, izay monina amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Malabar. Izy ireo no maro anisa amin' ny mponina ao Kerala sy Lakshadweep. Ny ankamaroan' izy ireo dia mpiteny malaialama. Nisy Malaialy eo amin' ny 33 tapitrisa eo ho eo ao Kerala tamin' ny 2011, mandrafitra ny 97 % amin' ny mponina ao amin' ilay fanjakana. Misy Malaialy vitsy anisa koa hita any Tamil Nadu. Maro koa ny Malaialy monina any amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, any Bareina, any Arabia Saodita, any Ômana, any Katara ary any Kôety. Ahitana azy ireo vitsy koa ny any Malezia, any Singapôro, any Etazonia, any amin' ny Fanjakana Mitambatra, any Aostralia, any Zelandy Vaovao ary any Kanada.

Ny Tamily

hanova

Ny Tamily na Tamoly ​​dia monina indrindra ao amin' ny fanjakan' i Tamil Nadu any India (69 026 881 tamin' ny taona 2011) ary vitsy anisa any Srilanka (3 135 770 tamin' ny 2012). Ny fiteny tamily no fitenin' izy ireo. Hita any amin' ny faritra maro maneran-tany koa ny vondrom-piarahamonina tamily. Hindoa ny ankamaroan' ny Tamily, nefa ahitana Kristianina sy Mozilmana vitsy anisa koa. Tamin' ny taona 2009 izy ireo dia niisa manodidina ny 85 tapitrisa. Ahitana azy ireo koa ny any Malezia (2 200 000 tamin' ny 2007), ny any Singapôro (336 000 tamin' ny 2006), ny atsy La Réunion 220 000 tamin' ny 2006), ny ao Maorisy (72 036 tamin' ny 2011), ny any Etazonia (mihoatra ny 238 699 tamin' ny 2022), ny any Kanada (237 890 tamin' ny 2021).

Ny Brahoy

hanova

Ny Brahoy dia monina indrindra any Pakistàna, ary amin' ny ampahany kely any Afganistàna sy any Iràna. Miteny brahoy izy ireo. Tena akaiky ny Balotsy, izay nifanakalozan' izy ireo toetra ara-kolontsaina maro, izy ireo. Ny Brahouis dia hita ao amin' ny faritr' i Merv (Torkmenistàna), ao Sindh (Pakistàna), ao amin' ny faritr' i Zahedan sy Zabol ao amin' ny faritanin' i Sistan-o-Baluchestan (ao Iràna), any amin' ny tapany atsimon' i Afganistàna ary ao Balochistan pakistaney.

hanova

Ny Telogo dia miteny ny fiteny telogo ary teratany any amin' ny fanjakana Andhra Pradesh sy Telangana ary ny distrikan' i Yanam any Puducherry any India. Izy ireo no maro anisa indrindra amin' ny Dravidiana. Maro ny Telogo monina any amin' ny fanjakana indiana Karnataka, Tamil Nadu, Orissa, ary Maharashtra. Miparitaka any amin' ny firenena toa an' i Etazonia, i Aostralia, i Malezia, i Maorisy, ny Emirata Arabo Mitambatra, i Afrika Atsimo sy ny hafa ny diaspôra telogo.

Ny fiteny dravidiana

hanova
 
Ny zana-bondron' ny fiteny dravidiana

Ny fiteny dravidiana dia fianakaviam-piteny ahiatana fiteny miisa 30 any ho any izay samy avy ao India avokoa, ka tenenina indrindra ao tapany atsimon' i India. Misy mpiteny azy ireo koa ny any Srilanka, ny any Pakistàna sy ireo vahoaka indiana nifindra monina. Tamin' ny taona 2010 dia nahatratra 214 000 000 any ho any ny mpiteny dravidiana, ka ny tena be mpampiasa dia ny fiteny telogo sy ny fiteny tamoly na tamily (76 000 000 sy 80 000 000 ny isan' ny mpiteny azy avy), ny fiteny malaialama sy ny fiteny kanada (izay misy mpiteny miisa 33 000 000 sy 38 000 000 isany avy). Ny tsirairay amin' ireo fiteny efatra ireo dia fiteny be mpampiasa ao amin' ireo fanjakana indiana tsirairay, dia i Andhra Pradesh (sy i Telangana izay nisaraka tamin' ny taona 2014), i Tamil Nadu, i Kerala ary i Karnataka.

Ny fiteny be mpampiasa indrindra

hanova
hanova

Ny fiteny telogo dia fiteny any India. Olona 70 tapitrisa no mampiasa azy, ary any amin' ny faritra Andhra Pradesh no tena be mpiteny telogo. Manana sata ôfisialy ny fiteny telogo any amin' ny faritr' i Andhra Pradesh. Fiteny ôfisialy ihany koa izy any amin' ny faritra Karnataka sy any Maharashtra ary any Orissa. Misy diaspôra telogo any Mianmara sy any Malaizia, ary any Atsinanana Akaiky.

Fiteny tamily

hanova

Ny fiteny tamily dia fitenin' ny vahoaka tamily, fiteny ôfisialin' i Tamil Nadu sy ny tananan' i Pondichery sy Karîkâl. Olona miisa 74 tapitrisa mahery no miteny tamily eran-tany. Noho ny tsy fahaizan' ny olona manoratra sy mamaky teny tany India nandritry ny taonjato maromaro dia samihafa be ny endriky ny fiteny tamily tenenina (koduntamil) sy ny fiteny tamily soratana (centamil). Ny fiteny tamilin' ny vahoaka dia mety miovaova arakaraka ny firenena, arakaraka ny faritany ary tsindraindray arakaraka ny tanàna.

Fiteny malaialama

hanova

Ny fiteny malaialama dia anisan' ny fiteny any atsimon' i India. Fiteny ôfisialin' ny faritany mizaka tenan' i Kerala ilay fiteny sady anisan' ny fiteny ôfisialin' i India ihany koa. Ny toerana hafa manao ny fiteny malaialama ho fiteny ôfisialy dia ny faritanin' i Lakshadweep ary any Pondicherry. 35,9 tapitrisa ny mponina miteny ilay fiteny any India sy manerana izao tontolo izao.

Fiteny kanada

hanova

Ny fiteny kanada dia fiteny any amin' ny tapany atsimon' i India. Fiteny ôfisialin' i Karnataka ny fiteny kanada. Olona 45 tapitrisa no mampiasa ny fiteny kanada any India. Misy fahasamihafana ny fiteny soratana sy ny fiteny tenenina, ary samihafa ny fiteny kanada arakaraka ny faritra. Manana endrika isam-paritra 20 ny fiteny kanada.

Jereo koa

hanova