Ny fiteny kanada (ಕನ್ನಡ), na siriganada dia fiteny diravidianina any amin' ny tapany atsimon' i India. Izy no fiteny tena antitra indrindra amin' ny fiteny diravidianina. Teny ôfisialin' i Karnataka ny fiteny kanada. Misy olona 45 tapitrisa no mampiasa ny fiteny kanada any India

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka india ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ilay fiteny hanova

Efa nisy 2 500 taona mahery izay no nisy ny fiteny kanada, ary soratana amin' ny anidim-baninteny kanada izy. Noforonina tamin' ny taonjato faha-2 io abidim-baninteny io. Mitovy endrika amin' ny fiteny diravidianina hafa ny fivoaran' ny fiteny kanada, indrindra amin' ny fiteny tamily sy ny fiteny telogo. Tamin' ny taonjato farany, nanana fiantraikany tamin' ny fiteny sanskrity ny fiteny kanada sy ny fiteny telogo.

Misy fahasamihafana ny fiteny soratana sy ny fiteny tenenina, ary samihafa ny fiteny kanada arakaraky ny faritra. Manana endrika isam-paritra 20 ny fiteny kanada. Ny tena be mpiteny indrindra dia:

  • ny fiteny kodava (any amin' ny faritra Coorg) ;
  • ny fiteny kunda (any amin' ny faritra Kundapura) ;
  • ny fiteny havyaka (fiteny tenenin' ny Havyaka Brahmana any amin' ny faritra Dakshina Kannada, any amin' ny faritra Uttara Kannada, any amin' ny faritra Shimoga, ary any amin'ny faritra Sagara et dans l'Udupi);
  • ny fiteny are bhashe (any amin' ny faritra Sullia, any Dakshina Kannada) ;
  • ny fiteny soliga kannada ;
  • ny fiteny badaga kannada ;
  • ny fiteny gulbarga kannada ;
  • ny fiteny hubli kannada.

Sata ôfisialy hanova

Ny fiteny kanada dia anisan' ny teny ôfisialin' i India ary teny ôfisialin' ny faritan' i Karnataka. Misy mpiteny kanada ihany koa any amin' ny faritra Tamil Nadu, fa tsy teny ôfisialy io teny io any.

Soratra hanova

Ny fiteny kanada dia manana alphasyllabaire hanoratana azy. Misy litera 52 ilay alphasyllabaire. Mitovitovy endrika amin' ny fomba fanoratana hafa any India ny soratra kanada. Satria avy amin' ny soratra Brahmî ny soratra kanada ; somary sarotsarotra ihany ny manoratra amin' io soratra io, manana litera tapany izao ohatra ny alphasyllabaire kanada, ary manana ligatiora manokana na tsindrim-peo ihany koa izy. Noho izany, mihoatra be ny litera 52 ny abidy ny isan' ny eva (symbole). Afaka manatambatra litera maro koa ny mpanoratra raha te-hanao ottakshara vaninteny iray ny eva iray.

Misy sokajy telo ny eva :

  • ny swara : zanapeo, mety fohy, lava kely na lava ;
  • ny vyanjana : ny renifeo ;
  • ny yogavaaha : ny vaninteny

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova