Ny Bokin' i Isaia, na Bokin' i Izaia, dia bokim-paminaniana voalohany sy lava indrindra ao amin' ny Tanakh (Baiboly jiosy) sy ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly.

Ny mpaminany Isaia, nataon'i Gustave Doré

Ny Bokin' i Isaia no bokim-paminaniana mahakasika lohahevitra maro izay voavelabelatra amin' ny fomba lava dia lava, ka ireto ny tena lehibe amin' izany: ny maha-tokana an' Andriamanitra (mônôteisma), ny faharavan' i Babilôna sy i Tiro (na Tira), ny fanantenana ny Mesia mpanjaka ary ny Andro farany. Manasongadina ny halehibe amam-boninahitr' Andriamanitra izay manerana izao rehetra izao sy ny maha tompon' ny Tantara sy ny Zavaboary an' Andriamanitra koa io boky io. Ambaran' ny Bokin' i Isaia manontolo fa miseho amin' i Israely ny fahamasinan' Andriamanitra sady miseho amin’ izao tontolo izao amin' ny alalan' i Israely izany. Milaza an' i Iahveh (na Jehovah) ho "ilay Masin' i Israely" ny mpaminany Isaia. Io boky io dia miresaka momba ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna sy ny niverenan' izy ireo tamin' ny taniny ary ny nananorenana indray ny Tempoly tao Jerosalema araka ny baikon' ny mpanjaka Kirôsy (na Sirosy).

Ny hevitra miverimberina ao amin' ny Bokin' i Isaia dia azo fintinina amin' ny hoe: "An' Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra".

Ny anaran' ny boky

hanova
 
Ny Fiadanana, araka ny Isaia 11.6-7, sary nataon' i William Strutt, tamin' ny taona 1896

Ny anaran' io boky io amin' ny teny hebreo dia ספר ישעיהו / Sefer Yeshayahu. Midika hoe "boky" na "horonam-boky" ny hoe ספר/ sefer ary anaran' i Isaia amin' ny teny hebreo ny ny hoe ישעיהו / Yesha-Yahu, izay midika hoe "Izy Yah dia mpamonjy", "izy Andriamanitra dia mpamonjy".

Fanoratana ny boky

hanova

Ny mpanoratra

hanova

I Isaia na Izaia

hanova

Mitondra ny anaran' i Isaia (na Izaia), mpaminany niaina tokony ho tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K., ny Bokin' i Isaia. Anisan' ny mpaminany malazan' i Israely i Isaia. Zanak' i Amôsa, izay fianakaviana ambony tao Jerosalema, izy. Mponin' i Jerosalema i Isaia. Nanao ny asa faminaniana tamin' ny antsasany faharoan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. izy, tamin' ny fotoana nanombohan' ny Asiriana nanafika matetika miankandrefana, fanafihana izay namaritra ny hoavin' ny fanjakan' i Israely sy ny an' i Jodà. Teo anelanelan' ny taona 740 sy 700 tal. J.K. izany, indrindra fa tamin' ny nanjakan' i Ahaza (na Akaza) (mpanjakan' i Jodà) tokony ho tamin' ny taona 735 tal. J.K. sy ny zanany nandimby azy, sy tamin' ny andron' ny mpanjaka Hezekia (na Ezekiasa) tokony ho teo anelanelan' ny taona 715 sy 710 tal. J.K..

Ny mpanohy ny faminaniana

hanova

Na dia atao hoe nosoratan' i Izaia aza io boky io dia mihevitra ny ankamaroan' ny mpikaroka fa asan' olo-maro izy io satria mahakasika tantara niseho nandritra ny telonjato taona, araka ny porofo isan-karazany.

Hita eo am-panombohan' ny toko faha-40, izay anombohan' ny fizaràna atao hoe "Deoterô-Isaia" (na "Isaia Faharoa"), ny porofo tena miharihary ny amin' ny fahamaroan' ny mpanoratra: tsy misy tetezamita mazava tsara fa tonga dia alefan' ilay boky any amin' ny vanim-potoan' ny Fahababoana ny mpamaky (taonjato faha-6 tal. J.K.). Tsy i Asiria intsony fanjakana no resahina ao fa i Babilôna izay voatonona matetika, toraka izany koa ny mpanjakan' ny Medianita sy ny an' ny Persiana, dia i Kirôsy (na Sirosy) ilay nanjera an' i Babilôna sy nampody ny Jiosy tany amin' ny taniny (Isa. 41.2; 44.28; 45.1) no voaresaka bebe kokoa noho ny mpanjaka hafa.

Noho ireo rehetra ireo dia ekena ankehitriny fa nanangona sy nanazava ary nameno ny faminaniany ny mpianatr' i Isaia nandritra ny taonjato maro, ka lasa toy ny fanangonam-boky momba ny faminaniana ny Bokin' i Isaia.

Ny fotoana sy ny toerana nanoratana

hanova
 
Nodiovina tamin' ny afo ny molotr' i Isaia, sary nataon' i Benjamin West.

Heverin' ny mpikaroka fa vita tamin' ny taonjato faha-4 na faha-3 tal. J.K. ny lahatsoratra sasany ao amin' ny Bokin' i Izaia. Mety niseho amin' ny endrika ahafantarana azy amin' izao ankehitriny izao nanomboka tamin' ny taona 180 tal. J.K. koa io boky io.

Fizaràn' ny boky

hanova

Mahita fizaràna telo ao amin' ny Bokin' i Isaia ny mpanao heviteny.

  • Tokony ho nosoratana indrindraindrindra tamin' ny andron' i Isaia ny toko voalohany hatramin' ny haha-39. Io ampahany voalohany io no atao hoe Isaia Voalohany na Prôtô-Isaia na Prôtô-Izaia, izay heverina fa nosoratan' ny mpaminany Isaia ho an' ny vahoaka Jiosy sy ho an' ny firenena manodidina.
  • Hatramin' ny fikarohana nataon' i Claus Wintermann izay nanamafy ny petrakevitr' i Bernhard Duhm (taona 1892) dia miresaka ny amin' ny Isaia Fahatelo na Tritô-Isaia na Tritô-Izaia mba hanondroany ny fizaràna fahatelo izay mahafaoka ny toko faha-56 hatramin' ny faha-66. Miresaka ny amin' ny Jiosy taorian' ny fahababoana ity fizaràna farany ity.

Prôtô-Isaia (1 – 39)

hanova

Amin’ ny ankapobeny ny ampahany voalohany amin' ny Bokin' i Isaia (Isa. 1 – 39) dia avy amin' ny mpaminany Isaia izay niditra an-tsehatra amin' ny anaran' i Iahveh na eo amin' ny lafiny sôsialy izany na amin' ny lafiny pôlitika. Mizotra avy amin' ny firesahana ny fahotana sy ny loza aterany ka mankany amin' ny hoavy mamirapiratra ho an' i Israely ity fizaràna ity.

Famerenana sy fampidirana fiovàna madinidinika ny lahatsoratra ara-tantara izay hita ao amin' ny Boky faharoan’ ny Mpanjaka (2 Mpan. 18.13 hatramin' ny 20.19) ny toko faha-36 hatramin' ny faha-39. Sahala amin' ny resaka momba ny Fahababoana izay mifanahaka amin' ny ao amin' ny Deoterô-Isaia ny toko faha-34 sy faha-35. Ny toko faha-24 hatramin' ny faha-27, izay atao hoe "Apôkalipsin' i Isaia" (na "Apôkalipsan' i Izaia") dia heverin' ny mpandinika maro fa mifanalavitra amin' ny toetsaina sy ny fomba fijery izay tokony ho nananan' ny olona tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Na ny toko maro lazaina fa nosoratan' i Isaia tenany aza (Isa. 1–12; 13–23 ; 28–33) dia misy ampahany izay heverin' ny mpanadihady ho nosoratana taty aoriana.

Ny Prôtô-Isaia dia mizara maromaro

Ny andiam-paminaniana talohan' ny Ady Israelô-Efraimita

hanova

Misy faminaniana momba an' i Jodà sy i Jerosalema ny toko 1 – 6. Eto i Isaia dia manameloka ny fahotan' i Jerosalema tamin' ny nanjakan' i Jôtama sy tamin' ny nanjakan' i Ahaza (na Akaza) sady manambara mialoha ny famaizana hahazo azy ireo (toko faha-2 hatramin' ny faha-5), dia ny hakan' ny Asiriana ny tany (Isa. 5.26-30). Mamelatra teôlôjian' ny Tantara i Isaia ka manambara fa manatanteraka ny fikasany amin' ny alalan' ny tantaran' ny olombelona sady mamonjy ireo izay mino azy Andrianamitra. Ny vahoakan' i Israely dia hofaizina noho ny fahotana nataony nefa misy vitsivitsy izay hovonjena sady ho velona sambatra eo ambanin' ny lalànan' ny taranak' i Jese izay hanao ny marina.

Bokin' i Imanoela

hanova

Ny toko faha-7 – 12, atao hoe "Bokin' i Imanoela", na "Bokin' i Emanoela" dia miresaka ny amin' ny Mesia sy ny vanim-potoana mesianika. Miseho ho mpanohy ny asan' ny mpaminany Natàna i Isaia (Jereo: Imanoela).

Ny andiam-paminaniana momba ny firenena jentilisa

hanova

Ny toko faha-13 – 23 dia maneho ny faminaniana momba firenena jentilisa (na jentily) sy ny fahavalon' ny fanjakan’ i Israely sy ny an' i Jodà. Nosoratana tamin' ny andron' i Isaia ireo toko ireo afa-tsy zavatra vitsivitsy sasany mikasika an' i Babilôna (Isa. 13.1-22; 21.1-10) sy ny fianjeran' i Babilôna, izay tsy niseho talohan' ny taonjato faha-6 tal.J.K.

Apôkalipsa lehibe

hanova

Ny toko faha-24 – 27 dia misy andiam-paminaniana eskatôlôjika, izay atao hoe "apôkalipsa lehibe", karazan-dahatsoratra mifantoka amin' ny fiafaran' izao tontolo izao. Mikasika ny Andron' i Iahveh (na Andron' i Jehovah na Andron' ny Tompo) ireo faminaniana ireo, izay manambara ny loza mandrakizay sy ny Fanavotana handimby ny Fahababoana.

Faminaniana momba an' i Israely sy i Jodà

hanova

Ny toko faha-28 – 33 dia ahitana faminaniana fanozonana sy fampanantenana fanavotana. Miresaka momba ny ezaka nataon' ny Fanjakan' i Jodà mba hahazo fanohanana hanoherana an' i Asiria amin' ny alalan' ny fiarahany amin' i Ejipta ny boky eto (Isa. 30.1-7; 31.1-3). Nampitandrina ny mpanjakan' i Jodà ny mpaminany fa ny ezaka rehetra kasainy hatao handresena an' i Asiria dia tsy hahomby satria niala tamin' ny finoana ny fanavotan' Andriamanitra ny vahoaka (Isa. 28.14-22; 30.1-17). Manameloka an' i Samaria sy i Asiria ireo toko ireo, nefa manao teny fampiononana: fampanantenana fahasambarana ho avy ao amin' ny firenena hatsangana indray sady ho entin’ ny mpanjaka izay marina sy tia fandriam-pahalemana. Natao tokony ho tamin' ny fotoana taty aoriana kokoa, taorian' ny fotoan' ny Fahababoana, ny ankamaroan' ny andalana momba ny fampiononana. 

Apôkalipsa kely

hanova

Ny toko faha-34 – 35 dia maneho fanindroany ny faminaniana eskatôlôjika, izay avondrona amin' ny anarana hoe "Apôkalipsy kely", izay voasoratra taorian' ny Fahababoana. Tsy nosoratana tamin' ny andron' i Isaia ny Apôkalipsy kely.

Fanampiny

hanova

Ny toko faha-36 – 39 dia tantara fanampiny, mitantara ny fanaovana fahirano an' i Jerosalema nataon' ny mpanjaka asiriana, dia i Sankeriba. Mifanandrify amin' ny tantara ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpan. 18.13-20) ireo andalana ireo.

Deoterô-Isaia (40 – 55)

hanova

Manomboka amin' ny hoe "Ampionony, ampionony ny oloko" (Isa. 40.1) ity fizaràna faharoa ity ka dia atao hoe "Bokin' ny Fampiononana an' i Israely". Io ampahany io dia nosoratana ho an' ny Jiosy babo tany Babilôna ary tamin' ny andron' ny faharavan' ity tanàna ity. Hafa noho ny tapany voalohany ity fizaràna ity noho izy miompana indrindra amin' ny fitiavan' Andriamanitra ny olony sy mampanantena hasambarana. Misy ampahany efatra atao hoe "Hiran' ilay Mpanompo" (Isa. 42.1-9; 49.1-7; 50.4-11; 52.13 – 53.12) izay miresaka ny mombamomba ny olona iray maha te hidera izay manaiky ny hiaritra fahoriana hatramin' ny fahafatesana mba hanavotra ny hafa.

Mpaminany tsy fantatra anarana no nanoratra an' ity fizaràna faharoa izay nomena ny anarana nifanarahana hoe "Isaia Faharoa" na "Deoterô-Isaia" ity. Ity mpaminany tsy fantatra anarana ity dia tokony niaina tamin' ny faramparan' ny fotoam-pahababoana tany Babilôna tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K. Ny fidirany an-tsehatra dia teo anelanelan' ny taona 550 sy 538 tal. J.K., izany hoe teo anelanelan' ny fotoana voalohany nahazoan' ny mpanjaka Kirôsy fandresena voalohany sy ny fotoana nandreseny farany an' i Babilôna. Vitsy dia vitsy ny zava-pantatra momba ity mpaminany ity – misy ihany ny ampahan-dahatsoratra izay heverina fa miresaka an-kolaka ny momba azy (toko faha-40) ary angamba koa ny amin' ny fahoriany, raha toa ka mikasika azy ilay atao hoe "Hiran' ilay Mpanompo" (indrindra ny toko faha-42 sy faha-50 ary faha-53). Miavaka amin' ny fomba fanoratr' i Isaia ny azy satria manetsika ny fo kokoa. Milaza faminaniam-pamonjena maro miendrika tonon-kira izy. Miverimberina matetika amin' ny toerana maro ao anaty boky ireo lohahevitra velabelariny.

Tritô-Isaia (56 – 66)

hanova
 
I Isaia, maminany ny fiverenan' ny Zanak' i Israely avy any am-pahababoana, sary nataon' i Maarten van Heemskerck, taona 1560-1565.

Tsy fantatra ny nanoratra ity tapany farany amin' ny Bokin' i Isaia ity nefa tsy maintsy ho mpianatr' ilay nanao ny Isaia Faharoa izy (na izy ireo) sady nonina tao amin' ny faritr' i Palestina taorian' ny Fahababoana. Asasoratra mifangaro, satria miovaova ny fomba fiteny sy ny momba ny litorjia asehon' ny andalana sasany (Isa. 56.1; 57.21). Ny mpanoratra azy dia heverina fa niaina sy nanoratra tao Jerosalema indrindra teo anelanelan' ny fiafaran’ ny Fahababoana (taorian' ny taona 538 tal. J.K.) sy ny asan' ny mpaminany Nehemia, izany hoe taorian' ny Fahababoana. Efa voaorina indray ny Tempoly ao Jerosalema tamin' izay nefa ny fampanantenana maro nataon' Andriamanitra dia mbola tsy tanteraka. Noho izany dia maro ny fahadisoana nataon' ny vahoaka sady niaina tao anaty fotoam-pahakiviana koa ny sasany.

Miompana amin' i Ziôna (na Siôna) izay ivon' ny fivahinianana ho an' ny firenena rehetra (toko faha-60 – 62) ity fizarana farany ity. Izany dia maneho fomba fijery mahafaoka izao tontolo izao izay hita koa ao amin' ny Isa. 56.1-8 sy Isa. 66.18-24. Maro ny lohahevitra efa hita tany aloha no iverenan' ny mpanoratra aseho amin' ny fomba hafa ato amin' ity fizaràna ity. Izany dia momba ny fandresen' i Jerosalema any am-parany. 

Fahazoana ny Bokin' i Isaia

hanova

Ny amin' ny Mesia

hanova
 
Ny Fahitan' i Isaia, sary nataon' i Julius Schnorr von Karolsfeld, taona 1860.

Ahitana lahatsoratra malaza, izay ampahatsiahivin' ny Testamenta Vaovao sy ny lovantsofina kristiana, ny Bokin' i Isaia, anisan' izany ny famambaràna ny hiavian' ny Mesia. Heverina ho nanao faminaniana momba ny Mesia i Isaia. Hita indraimandeha monja ao amin' io boky io ny teny hoe מָשִׁיחַ / Mashiah ("voahosotra") izay ilazàna an' i Kirôsy (na Sirosy) (Isa. 45.1). Telo ny faminaniana momba ny Mesia :

  1. Misy adihevitra ny faminaniana ny amin' i Imanoela na Emanoela (Isa. 7.10-17). Miresaka ny fahaterahan' ny mpanjaka vaovao, izay hatao hoe Imanoela (hebreo: עִמָּנוּ אֵל / ‘immânû ’él "Andriamanitra amintsika") ny lahatsoratra nefa maro ny mpikaroka momba ny Baiboly izay mihevitra fa sarotra ho an' i Isaia izay nivelona tamin' ny taojato faha-8 ny ho nanonona ireo teny ireo.
  2. Ny tonon-kira ao amin' ny toko faha-9, izay mankalaza ny fahataperan’ ny fangejan' ny firenena hafa sy ny hahaterahan' ny andriandahy, dia hiran' ny fametrahana ny satroboninahitry ny mpanjaka, sahala amin' izay hita ao amin' ny Salamo faha-2.
  3. Mety ho tovana natao mba hankalazàna an' i Jôsia (na Jôsiasa) ny tonon-kira ao amin' ny toko faha-11.

Ny Kristiana anefa mihevitra ireo faminaniana telo ireo ho milaza an' i Jesoa Kristy. Amin' izy ireo dia i Jesoa sy ny fahoriany ilay Mpanompo ory voalaza ao amin' ny "Hiran' ilay Mpanompo" (Isa. 42.1-9; 49.1-7; 50.4-11; 52.13 – 53.12).

Ny amin' ilay Kintan' ny maraina na Kintana fitarik' andro

hanova

Ny Isa. 14.12 dia miresaka ny amin' ny Kintan' ny maraina (na Kintana fitarik' andro) izay te hihoatra an' Andriamanitra, ka napotrak' Andriamanitra noho izany fikasan-dratsiny izany. Raha dinihina miaraka amin' ny lahatsoratra manodidina azy io andininy io dia hita fa manondro an' i Babilôna izay nentin' ny fatokisan-tena loatra sy ny fiheveran-tena ho tsy mety diso ho any amin' ny fahafatesana.

Na ny Kristiana na ny Jiosy maro mpikaroka momba ny Baiboly dia miara-miaiky fa tokony homena heviny malalaka kokoa izay manondro an' i Satana io andalana io. Tokony hampifanakaikezina amin' ny Ezekiela 28.13 izay mifanahaka aminy io andalana io.

Tsongan-tsoratra

hanova

"Amin' izany andro izany Iaveh hamaly, amin' ny sabany mafy sady lehibe no mahery, an' i Leviatana ilay menarana faingam-pandeha, an' i Leviatana ilay menarana miforiporitra, ka hamono ilay bibibe izay ao an-dranomasina." -- (Izaia 27.1)

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova