I Asiria na Asoria dia faritra ao amin' ny tapany avaratr' i Mesôpôtamia tamin' ny Andro Taloha. Atao hoe Asiriana ny vahoaka nonina tamin' io faritra io. Avy amin' ny anaran' ny tanànan' i Asora izay anaran' ny andriamanitra mpiaro azy koa, ny anaran'io faritra io.

Sarintany maneho ny faritr'i Asiria (miloko mena) sy ny Empira asiriana (mioko mavo)
Sarintany maneho ny Empira asiriana sy ny fiitarany lehibe indrindra tamin'ny taonjato faha-7 tal. J.K;

Avy tamin' izany faritra izany no nipoiran' ny fanjakana matanjaka tamin' ny taonarivo faha-2 izay nanjary empira taty aoriana. Tamin' ny taonjato faha-8 sy faha-7 tal. J.K. dia nifehy ny faritra izay nivelatra saika manerana ny firenena maro ankehitriny, toa an' i Iràka, i Siria, i Libàna (na Libanona), i Torkia ary i Iràna, i Asiria.

I Asiria dia fantatra koa indraindray amin' ny anarana hoe Sobarto (Subartu) sy Azohinoma (Azuhinum) talohan' ny nanorenana ny tananan' i Asora (Ashur), taorian' izay dia natao hoe koa Asoraio (Aššūrāyu) izy.

Jereo koaHanova