Jerosalema (Andro Taloha)
I Jerosalema dia tanàna any amin' ny faritra Kanaana nonenan' ny Jebosita tamin' ny Andro Taloha izay azon' i Davida mpanjaka ka nataony renivohitry ny fanjakany.
Vanimpotoana talohan' ny fahababoana babilôninaHanova
Nandritra ny fitondran' i Davida sy i SôlômônaHanova
Tanàn' ny Jebosita i Jerosalema talohan' ny nahazoan' i Davida azy tamin' ny taona 1000 tal. J.K. ka nataony renivohitry ny fanjakany sy ivon' ny fivavahan' ny Israelita. Tontosan' i Sôlômôna izany fanokanana an' i Jerosalema ho renivohitra izay tamin' ny nahavitany ny Tempoly sy ny lapam-panjakana tamin' ny taona teo anelanelan' ny taona 969 sy 962 tal. J.K. sady nanao izay haha mpanan-karena ilay tanàna.
Taorian'ny fivakisan' ny fanjakana ho roaHanova
Taorian'ny fisarahan' ny fanjakana israelita ho roa, ka niteraka ny Fanjakan' i Jodà any atsimo sy ny Fanjakan' i Samaria any avaratra, dia lasa renivohitry hy fanjakana atsimo i Jerosalema.
Vanimpotoana babilôniana sy persiana akemenidaHanova
Vanimpotoan' ny fahababoana babilônianaHanova
Tamin' ny taona 587 tal. J.K dia noravan' i Nebokadnezara mpanjakan' i Babilôna i Jerosalema mbamin' ny Tempoly tamin' ny nanafihan' ny Babilôniana sy nandravany ny Fanjakan' i Jodà, sady natao sesitany tany Babilôna ny mponina tao.
Fanorenana indray ny tanàna sy ny TempolyHanova
Taty aoriana dia resin' ny Persiana akemenida ny Babilôniana ka nalalaka amin' izay ny fivavahan' ny vahoaka sy ny firenena notapahin' ny mpajaka persiana. Teo anelanelan' ny taona 520 sy 515 tal. J.K. dia nahazo alalana hiverina any Jerosalema ny Jiosy babo ka afaka nanorina indray ny Tempoly sy ny tanàna ary ny manda. Tsy tafaverina tamin' ny endriny taloha anefa izany fa tsotsotra kokoa noho ny tamin' ny andron' i Sôlômôna.
Vanimpotoana helenistikaHanova
Vanimpotona lagida sy seleokidaHanova
Rehefa notafihin' i Aleksandra Lehibe i Palestina ka azony dia ny Lagida sy ny Seleokida no nifandimby nanapaka an' i Jerosalema sy ny faritra manodidina azy.
Vanimpotoana hasmôneanaHanova
Nikomy ny Makabeo tamin'ny taona 143 tal. J.K. ka nahazo fahaleovan-tena ny Jiosy ary lasa renivohitry ny fanjakana jiosy nandritra ny 80 taona indray i Jerosalema.
Vanimpotoana rômana sy bizantinaHanova
Vanimpotoana rômanaHanova
Tamin' ny taona 63 taor. J.K. dia azon' ny Rômana i Jerosalema. Noravan' ny Rômana ny tanàna tamin' ny taona 70 taorian' ny fikomian' ny tia tanindrazana. Tamin' ny taona 135 taor. J.K. dia nikomy tamin' ny Rômana indray ny Jiosy notarihin' i Bar-Kôkba izay tsy nahomby. Nanorina tanànam-boanjo tsy azon' ny Jiosy aleha ny Rômana teo amin' ny sisam-paharavàn' i Jerosalema.
Vanimpotoana bizantinaHanova
Tamin' ny andron' ny Empira kristiana dia lasa ivontoeran' ny fivahiniana masina i Israely, indrindra fa i Jerosalema. Nanorina bazililka tao ny emperora Kônstantino, izay nantsoina amin' ny anarana hoe Bazilikan' ny Fasana Masina.
Jereo koaHanova
- Jerosalema (ankehitriny)