Ny Fanjakan' i Jodà na Fanjakan' i Joda na Fanjakana Atsimo dia fanjakà-mpanjaka tany Atsinanana-Akaiky taloha naorin' ny Israelita tamin' ny Andron' ny Vy. Araka ny Baiboly dia teo anelanelan' ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian' io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin' ny Fanjakan' i Samaria (na Fanjakan' i Israely) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan' ny Fanjakan' i Israely izay mbola nitambatra izy sy ny Fanjakan' i Samaria taorian' ny nahafatesan' i Sôlômôna (Salômôna). Taorian' ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan' ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan' ny Babilôniana izy tamin' ny andron' i Nebokadnetsara II tamin' ny ady nifanaovan' i Egiptiana sy ny Babilôniana.

Fanjakan' i Israely sy Fanjakan' i Jodà tamin' ny taonjato faha-9 tal. J.K.

Ny fokon' i Israely tao amin' ny Fanjakan' i Jodà

hanova

Roa fotsiny ny fokom-pirenen' i Israely tafajanona tao amin' ny Fanjakan' i Jodà, dia ny fokom-pirenen' i Jodà sy ny fokom-pirenen' i Benjamina. Nisy ampahany tamin' ny fokom-pirenen' i Levy izay nisahana ny resaka fivavahana tao amin' ny Fanjakan' i Jodà.

Lisitry ny mpanjakan' i Jodà

hanova

Nanomboka teo amin' ny fanjakan' i Rehôbôama na Rôbôama ka hatramin' ny fanjakan' i Zedekia na Sedekiasa ny lisitry ny mpanjakan' i Jodà. I Saoly na Saola sy i Isbôseta sy i Davida ary i Sôlômôna na Salômôna dia mpanjakan' i Israely tamin' izy mbola fanjakana tokana tsy mivaky. Nisy roapolo mahery eo ny isan' ny mpajaka nifandimby nitondra tao Jodà raha tsy isaina i Saoly sy i Davida ary i Salômôna[1].

  1. Rehôbôama na Rôbôama (hebreo: רְחַבְעָם / Rehav’am);
  2. Abia na Abiama (hebreo: אַבִיָּם / ’Aviyam);
  3. Asa (hebreo: אסא / ’Asa);
  4. Jôsafata (hebreo: יהושפט / Yehoshafat);
  5. Jehôrama na Jôrama (hebreo: יהורם / Yehoram);
  6. Ahazia na Ôkôziasa (hebreo: אחזיהו / ’Ahazyahu);
  7. Atalia (hebreo: עתליה / ‘Atalyah);
  8. Jôasy na Jôasa (hebreo: יהואש / Yehoash);
  9. Amazia na Amaziasa (hebreo: אמציה / ’Amatzyah);
  10. Ozia na Oziasa (hebreo: עזיה / ‘Uziyah) na Azaria na Azariasa (hebreo: עזריה / ‘Azaryah);
  11. Jôtama (hebreo: יותם / Yotam);
  12. Ahaza na Akaza (hebreo: אחז / ’Ahaz);
  13. Hezekia na Ezekiasa (hebreo: חזקיה / Hizqiyah);
  14. Manase (hebreo: מנשה / Menasheh):
  15. Amôna (hebreo: אמון / ’Amon);
  16. Jôsia na Jôsiasa (hebreo: יאשיהו / Yo’shiyahu);
  17. Jôahaza na Jôakaza (hebreo: יהואחז / Yeho’ahaz);
  18. Jôiakima na Jôakima (hebreo: יהויקים / Yehoyaqim);
  19. Jôiakina na Jôasina (hebreo: יהויכין / Yehoyakhin) izay atao hoe Jekonia na Jekoniasa koa (hebreo: יכניהו / Yekhonyahu);
  20. Zedekia na Sedekiasa (hebreo: צדקיהו / Tzidqiyahu).

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. Amin' io lisitra io dia voasoratra aloha ny anarana hita ao amin' ny Baiboly prôtestanta malagasy ary manaraka azy ny ao amin' ny Baiboly katôlika malagasy raha toa ka tsy mitovy ny fomba nanoratana azy ao amin'ireo boky roa ireo. Ny anarana amin' ny Baiboly hafa dia hita amin' ny pejin' ny mpanjaka tsirairay.