Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly
16°00′00″S 45°13′00″E / 16.00000°S 45.216670°E
Ny Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly dia valan-javaboary any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara, izay noforonina tamin' ny taona 1997. Mifameno ao ny vondron-jamananaina roa samy hafa: ny an-tanety andaniny sy ny an-dranomasina sy amorontsiraka ankilany. Ny helodranon' i Baly no hany fonenan' ny sokatra tsy manam-paharoa atao hoe angonoka, sokatra tsy miala amin' ny sisin-tanin' i Soalala, antsoina koa hoe Astrochelys yniphora, sokatra tsy fahita firy any amin' ny toeram-ponenany voajanahary, dia ny kirihitra ahitana Perrierbambos madagascariensis, izay tsy misy afa-tsy ao Soalala ihany koa. Miaro ny vorondrano lehibe mpifindra monina izay miaina anaty andiana sy ny sokatra an-dranomamy voasokajy ho "tandindomin-doza" toy ny Erymnochelys madagascariensis ny farihy sy ny heniheny miparitaka etsy sy eroa ao amin' io valan-javaboary. Tamin' ny faramparan' ny volana Septembra 2022 dia may ilay valan-javaboary ka betsaka ny biby maty tao.
Jeôgrafia
hanovaAny amin' ny Faritra Boeny, 150 km miala an' i Mahajanga, no misy ilay valan-javaboary. Ny kaominina manaraka dia i Soalala sy Ambohipaky. Ny renirano Kapiloza no sisiny atsimo.
Ny biby sy ny zavamaniry
hanovaNy angonoka na Astrochelys yniphora no biby famantarana indrindra ao amin' ny Helodranon' i Baly, satria tsy misy afa-tsy amin' io faritra io.
Jereo koa
hanova- Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia