Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa

(tonga teto avy amin'ny Valan-javaboarin' i Tsimanampetsotsa)

Ny Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa na Tahirin-javaboarin' i Tsimanampetsotsa dia valan-javaboary mirefy 432 km2, noforonina tamin' ny taona 2002, manodidina ny farihy tokana misy sira eto amin' ny firenena, dia ny farihy masiran' i Tsimanampetsotsa, any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana, ao amin' ny Faritanin' i Toliara. 90 km atsimon' i Toliara ary 950 km any atsimon' Antananarivo no misy ity valan-javaboary ity. Mandalo an' ilay valan-javaboary ny lalam-pirenena faha-10 (RN10) mankany Faux Cap (na Betanty) ary ao Toliara no misy ny seranam-piaramanidina akaiky indrindra.

Pachypodium geayi ao amin' ny Valan-javaboarin' i Tsimanampetsotsa
Ny farihy Tsimanampetsotsa

Tsy hita any amin' ny toeran-kafany 75 ka hatramin' ny 90 % amin' ny biby sy ny zavamaniry ao aminy. Ny Valan-javaboarin' i Tsimanampetsotsa dia anisan' ny faritra Ramsar voalohany eto Madagasikara.

Jereo koa

hanova

Valan-javaboary