Fiteny iakoty
Ny fiteny iakoty, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny iakotiana na fiteny saka, dia fiteny torkika ao amin' ny sampana torkika siberiana ary ampiasain' ny mpiteny teratany miisa 450 000 eo ho eo, indrindra fa ny vahoaka iakoty ary iray amin' ireo fiteny ôfisialin' i Sakha (Yakutia), repoblika federaly ao amin' ny Federasiônan'i Rosia.
Ny fiteny iakoty dia tsy mitovy amin' ny fiteny torkika hafa rehetra amin' ny fisian' ny voambolana tsy mazava fiaviana (mety ho paleô-siberiana). Misy ihany koa ny teny maro avy amin' ny fiteny môngôliana nindramina taloha, ary koa ny findraman-teny vao haingana avy amin' ny fiteny rosiana. Sahala amin' ny fiteny torkika hafa sy ny fiteny prôtô-torkika razambeny, ny fiteny iakoty dia fiteny manambatambatra hasinteny ary misy rindran-janapeo.
Jereo koa
hanova- Vahoka torkika sasany: Azery - Baskira - Gagaoza - Iakoty - Kazàka - Kirgizy - Oigoro - Ozbeka - Tatara - Tiorka - Torkmena - Tovàna - Tsovasa
- Fiteny torkika sasany: fiteny afsara - fiteny argo - fiteny azery - fiteny baskira - fiteny gagaoza - fiteny iakoty - fiteny kaskay - fiteny kazàka - fiteny kiptsaka - fiteny kirgizy - fiteny ôgora - fiteny ôgoza - fiteny oigoro - fiteny ozbeka - fiteny tatara - fiteny tatara krimeana - fiteny tatara siberiana - fiteny tiorka - fiteny torkmena - fiteny tovàna - fiteny tsovasa