Fiteny ôgoza
Ny fiteny ôgoza na fiteny ôgozy dia sampana kely amin' ny fianakaviam-piteny torkika, ampiasain' ny olona misa 108 tapitrisa eo ho eo. Ny fiteny telo manana mpiteny betsaka indrindra ao amin' ity sampana ity dia fiteny tiorka sy ny fiteny azery ary ny fiteny torkmena, izay, raha atambatra, dia mihoatra ny 95 % amin' ny mpiteny ôgoza.
I Mahmud al-Kashgari, manam-pahaizana tao amin' ny kanatan' ny Kara-Khanid, izay niaina tamin' ny taonjato faha-11, dia nilaza fa ny fiteny ôgoza no tsotra indrindra amin' ny fiteny torkika rehetra.
I Lars Johanson, manam-pahaizana torkôlôga sy mpahay teny soedoà dia nanamarika fa ny fiteny ôgoza dia miforona mazava tsara sy mifandray akaiky ao anatin' ny fianakaviam-piteny torkika satria ny tantara ara-kolontsaina sy ara-pôlitikan' ny mpiteny ny fiteny ôgoza dia nampifandray azy ireo akaiky kokoa hatraty amin' ny vanim-potoana môderna. Ny mpiteny ôgoza tandrefana dia tena mifankahazo fiteny tsara amin' ny mpiteny tatara krimeana.
Jereo koa
hanova- Vahoka torkika sasany: Azery - Baskira - Gagaoza - Iakoty - Kazàka - Kirgizy - Oigoro - Ozbeka - Tatara - Tiorka - Torkmena - Tovàna - Tsovasa
- Fiteny torkika sasany: fiteny afsara - fiteny argo - fiteny azery - fiteny baskira - fiteny gagaoza - fiteny iakoty - fiteny kaskay - fiteny kazàka - fiteny kiptsaka - fiteny kirgizy - fiteny ôgora - fiteny ôgoza - fiteny oigoro - fiteny ozbeka - fiteny tatara - fiteny tatara krimeana - fiteny tatara siberiana - fiteny tiorka - fiteny torkmena - fiteny tovàna - fiteny tsovasa