Ny Tatara dia vahoaka isan-karazany mpifindrafindra monina, anisan' ny vahoaka torkika, monina indrindra any amin' ny faritra afovoany sy atsimo amin' i Rosia, any Okraina, any Kazakstàna, any Torkia ary any Ozbekistàna. Niisa 8 tapitrisa mahery izy ireo tamin' ny faran' ny taonjato faha-20. Ny Tatara koa dia iray amin' ny vondrom-poko enina amby dimampolo voatanisa ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Misy fahasamihafana eo amin' ny Tatara, anisan' izany ny Nôgay.

Tatara tao Kazan tamin' ny taona 1870

Tantara hanova

 
Tatara mitaingin-tsoavaly (ankavia) miady amina Kôsàka

Ny Tatara dia niditra sy niely tao amin' ny faritr' i Azia sy Eorôpa teo ambany fitarihan' ny Môngôly tamin' ny taonjato faha-13, ary koa ireo foko miteny torkika tao amin' ny Ulug Ulus ("Fanjakana Lehibe") tamin' ny taonjato faha-14 sy faha-15. Ny Tatara voalohany indrindra dia azo inoana fa avy any Azia Atsinanana-Afovoany na any Siberia Afovoany, ka tsy toa ny Môngôly fa niteny torkika.

Taorian' ny fandresen' i Genghis Khan (Môngôly) tamin’ ny fiandohan' ny taonjato faha-13 dia nantsoin' ny Eorôpeana hoe Tartara tsy nisy fanavahana ny vahoaka torkika sy ny vahoaka môngôliana, teny izay ilazana ny helo (Tartaros) amin' ny fedrà grika. Nitambatra tao amin' ny Empira Kiptsaka (Qipchak), na Kanatan' ny Ulug Ulus, izay naorin' i Batu Khan zafikelin' i Genghis Khan tamin' ny taonjato faha-13, izy ireo sy ny foko maro teo an-toerana. Ity empira ity dia nifehy ny ampahany be amin' i Rosia mandra-pivakivakisany tamin' ny taonjato faha-15 ho kanata mahaleo tena maromaro: i Kazan, i Astrakhan, i Sibir, any Siberia, ary i Krimea. Resin' ny tsar Ivan IV ny kanata telo voalohany tamin' ny taonjato faha-16, ary tamin' ny taona 1783 dia nofehezin' i Rosia ny fanjakana tatara farany, dia i Krimea.

Ny Tatara krimeana, izay nafindra toeram-ponenana tamin' ny taona 1943, dia niparitaka tany amin' ny fanjakana rehetra ao amin' ny Federasionan' i Rosia; miezaka mitaky ny hiverenan an-taniny izy ireo ankehitriny.

Nisy fitsapan-kevi-bahoaka tany amin' ny faritra tatara tamin' ny volana Martsa 1992, nankatoavana ny fananganana fanjakana tatara, dia i Tatarstàna.

Kolontsaina hanova

Mozilmana ny Tatara nanomboka tamin' ny taonjato faha-11. Ny fiteny tatara no fitenin' izy ireo, izay tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny tatara krimeana sy ny fiteny tatara siberiana na dia samy ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika aza.

Faritra onenany hanova

Ny ankamaroan' izy ireo dia mipetraka any Tartaria na Tataria sy any amin' ny faritra avaratra-andrefan' i Bashkortostan, any amin' ny faritra atsinanan' i Rosia. Ny hafa dia monina any amin' ny Tendrombohitra Ural, any Siberia Andrefana, any Kazakstàna ary any amin' ny firenena maro any Azia Afovoany. Ahitana azy ireo koa ny any Okraina, ny any Torkia ary ny any Ozbekistàna.

Jereo koa hanova