Sôgdiana (vahoaka)

Ny Sôgdiana dia vahoaka miteny amin' ny fiteny indô-eorôpeana ao amin' ny sampana iraniana, izay nipetraka tany amin' ny faritra mahafaoka ny atsinanana amin' i Torkmenistàna, i Ozbekistàna, ny andrefana amin' i Tajikistàna ary ny avaratra amin'  i Afghanistàna, izay nahafaoka an' i Samarkand sy i Bukhara, faritra nomen' izy ireo ny anarany: Sôgdia. Vahoaka mpivarotra manana ny maha izy azy izy ireo, izay nandray anjara lehibe tamin' ny fampandrosoana ny Lalan' ny Landy sy ny lalan' ny varotra tany Azia Afovoany. Ny Sôgdiana dia nahatratra ny fara tampon' ny tanjany teo anelanelan' ny fiandohan' ny vanim-potoana kristiana sy ny taonjato faha-7. Mpandova ny sivilizasiôna teo aloha izy ireo, izay "Fenisiana" any Azia Afovoany, ka nanangona sy nampita ny haren' izany sivilizasiôna izany hatramin' izay ka hatramin' ny taonjato faha-8.

Sôgdiana mpivarotra mitaingina rameva

Nifanakaiky be na nitovitovy tamin' ny fiteny tao Baktria, tany atsimon' i Sôgdia ny fitenin' izy ireo. Voasolon' ny fiteny tajiky, izay fiteny iraniana hafa akaiky kokoa ny fiteny persana ankehitriny, saingy tsy nanjavona tanteraka satria mbola nisy nampiasa vao haingana ny fiteny sôgdiana tany amin' ny vondron-tanàna iray ao amin' ny lohasahan' ny renirano Yaghnob, sakelidranon' i Zeravshan, renirano manondraka an' i Samarkand. Ankoatra ny fiteny antsoina hoe fiteny iagnôby dia namela voanteny ho an' ny fiteny tajiky sy ny fiteny persana vavao ny fiteny sôgdiana.

Jereo koa hanova