Vanim-potoana kristiana

Ny vanim-potoana kristiana na Anno Domini, hafohezina amin' ny hoe AD, dia manondro fotooana miainga amin' ny taona nahaterahan' i Jesoa Kristy araka ny fiheverana izany tamin' ny taonjato faha-6.

Notapahina ho taona 1 ny "taona nahaterahan' ny Tompo" izay niantatra ny vanim-potoana kristiana, izay antsoina hoe "vanim-potoana iraisana" na "vanim-potoana ifanarahana" na "androntsika". Izany fomba fanisan-taona izany dia noraisin' ny fikambanana iraisam-pirenena.

Ny taona rehetra ao amin' ity vanim-potoana ity, araka ny mahazatra, dia lazaina koa hoe "taorian' i Jesoa Kristy" na "taorian' i Jesosy Kristy", izay hafohezina hoe "taor. J.K.", ary ampiasaina izany raha ilaina ny hanaisotra ny fisalasalana.

Ny taona rehetra ao amin' ny vanim-potoana mialoha ny vanim-potoana kristiana dia matetika antsoina hoe "talohan' i Jesoa Kristy" na "talohan' i Jesosy Kristy", izay hafohezina amin' ny hoe "tal. J.K.".