Sarmatiana (vahoaka)

Ny Sarmatiana dia vahoaka iraniana tamin' ny Andro Taloha, tamin' ny taonjato faha-4 tal. J.K. ka hatramn' ny taonjato faha-5 tal. J.K. Avy any amin' ny faritra afovoan' ny Fatrana Eoraziana izy ireo, izay ampahany lehibe kokoa amin' ny vahoaka nadray ny kolontsaina skitiana. Nanomboka nifindra monina niankandrefana izy ireo tamin' ny taonjato faha-4 sy faha-3 tal. J.K., ka tonga nanjakazaka tamin' ny Skitiana mpifanolo-bodirindrina aminy tamin' ny manodidina ny taona 200 tal. J.K. Tamin' ny fiitarany mivelatra indrindra manodidina ny taona 100 tal. J.K., ireo vahoaka ireo dia niely avy eo amin' ny reniranon' i Vistula ka hatrany amin' ny vavan' i Danube ary niantsinanana nankany amin' i Volga, manamorona ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Kaspiana ary koa i Kaokazy any atsimo.

Sarin-tanin i Skitia tamin' ny taona 100 tal. J.K.

Ny tanin' izy ireo, izay fantatra amin' ny anarana hoe Sarmatia ho an' ny etnôgrafa grika-rômana, dia mifanitsy amin' ny faritra andrefan' i Skitia lehibe kokoa (anisan' izany ny faritra afovoany sy atsimo-atsinanana amin' i Okraina ankehitriny, ny faritra atsimo amin' i Rosia, i Volga rosiana, ary ny tapany atsimo amin' ny faritr' i Oraly, ary koa any amin' ny faritra kely kokoa any avaratra-atsinanana amin' ny Balkana sy ny manodidina an' i Môldavia). Tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K. dia nanomboka niditra an-keriny tao amin' ny Empira Rômana ny Sarmatiana, ka niray tetika tamin' ny foko jermanika. Tamin' ny taonjato faha-3 taor., dia noravan' ny Gôty ny fanjakazakan' izy ireo tamin' ny Fatrana Pôntika. Tamin' ny fanafihan' ny Hona tamin' ny taonjato faha-4 dia maro ny Sarmatiana no nanatevin-daharana ny Gôty sy ny foko jermanika hafa (ny Vandala) tao amin' ny toerana misy ny Empira Rômana Andrefana. Koa satria ny ampahany lehibe amin' i Rosia ankehitriny, indrindra fa ny tany eo anelanelan' ny Tendrombohitra Oraly sy ny reniranon' i Don, dia nofehezin' ny Sarmatiana tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K., ny lemaka Volga–Don sy ny Lemak' i Oraly indraindray dia antsoina hoe "Tanindrazan' ny Sarmatiana".

Tamin' ny farany, ny Sarmatiana dia nifangaro tamin' ny mponina prôtô-slava any Eorôpa Atsinanana.

Jereo koa hanova

Vahoaka iraniana tamin' ny Andro Taloha: