Pôrtô-Rikô

(tonga teto avy amin'ny Puerto Rico)

I Pôrtô-Rikô na Puerto Rico dia firenena ao Amerika Afovoany. Ny renivohiny dia i San Juan. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 9 104 km2 ny velaran-taniny ary miisa 3 667 084 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia –4. Atao hoe Pôrtô-Rikana ny mponina ao aminy.

Sainan'i Puerto Rico
Saritanin' i Pôrtô Rikô

I Pôrtô Rikô dia fanjakana malalaka mifandray amin' i Etazonia, any amin' ny Ranomasina Karaiba, izay fitambaran' ny nosy Puerto Rico, ny atsinanana indrindra amin' ireo Antilia Lehibe ary nosy telo kely kokoa, i Mona sy i Vieques ary i Culebra.

Eo anelanelan’ ny Repoblika Dôminikana sy ireo Nosy Virijiny no misy an' io nosy io, izay manana morontsiraka eo avaratra ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, sy any atsimo any amin' ny Ranomasina Karaiba. I Pôrtô Rikô dia 1 610 km atsimo-atsinanan' i Florida. Miredy 9 104 km2 ny velarantanin' ilay firenena. Nahatratra 3 959 450 Ny isan’ ny mponina tamin' ny taona 2008 ary manam-piaviana espaniôla ny ankamaroany. Ny fiteny espaniôla no fiteny ôfisialy ao. I San Juan no renivohiny.

Nosy be tendrombohitra i Pôrtô Rikô. Ny tandavan-tendrombohitra afovoany, voahodidin' ny lemaka tery amorontsiraka, dia sahala amin’ ny hazondamosina avy any atsinanana ka hatrany andrefana, ary miafara amin' ny tampon' i Cerro de Punta (1 348 m). Ity nosy ity dia tondrahan' ny renirano fohy toa an’ i Grand de Arecibo sy i Bayamón. Ny toetany dia trôpikaly, fa ny vohon’ ny tany be tendrombohitra dia mampiditra tsy fitoviana ara-toetany: ny tehezan-tendrombohitra avaratra amin' ilay nosy, azon’ ny rivotra Alizay avaratra-atsinanana, dia mando sy mety amin' ny zavamaniry trôpikaly mafana (ampanga hazo, ôrkidea, mahogany na rotse, voanio), fa ny tehezan-tendrombohitra atsimo voaaro kosa dia isongadinan’ ny haintany (zavamaniry fatrana, raketa). Matetika i Pôrtô Rikô no tratran' ny rivo-doza mahery vaika eo anelanelan' ny volana Aogositra sy Ôktôbra.

Efa ela no nifototra amin’ ny vokatra trôpikaly ny toekaren' ity firenena ity. Miroborobo sady isan-karazany ny fambolena: kafe, legioma, fary, toaka, akondro, mananasy ary paraky. Mandroso koa ny fiompiana. Ahitana varahina, krôma, nikela ary vy ny ambanin’ ny tanin’ i Pôrto Rikô. Nanova ny toekarena sy ny endri-tainn’ ilay nosy ny fampiroboroboana ny indostria atosiky ny fepetra apetraky ny governemanta toy ny famotsoran-ketra na ny fanomezana fanampiana. Isan-karazany ny indostria: indostria mavesatra (petrôsimia), indostrian' ny teknôlôjia avo lenta (elektrônika, fanafody), indostrian' ny lamba, sakafo ary paraky (sigara). Ny fizahàn-tany dia asa tena mandroso: mahasarika mpizaha tany betsaka ilay ny nosy noho ny toetany trôpikaly sy ny tora-pasika mahafinaritra sy noho ny lova tamin’ ny fanjanahan-tany espaniôla tamin' ny taonjato faha-16.

Jereo koa hanova

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haitỳ - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.