Ny manananasy dia zavamaniry trôpikaly, nipoitra avy any amin' ny faritra afovoany amin' i Amerika trôpikaly sy any amin' ireo nosy Antilia, ary ambolena hahazoana ilay voankazo mitambatambara misy nofony mamy. Atao hoe Ananas comosus ny anarany ara-tsiansa ary ao amin' ny fianakaviana Bromeliaceae no anasokajiana azy.

Mananasy

Mirefy iray metatra eo ho eo ny haavon' ny mananasy maniry. Ny raviny dia matevina, mafy, lava ary mandrakotra ka ahafahany manangona rano. Ny famoniny dia ahitana voniny zato ka hatramin' ny roanjato any ho any, izay samy mitombo aorian' ny fahalonahany ka lasa toy ny voaroy. Ireo voa toa ny voaroy rehetra ireo no mamorona ny nofon' ny mananasy.

Ny anaran' ny mananasy dia avy amin' ny teny indiana any Amerika Afovoany hoe nana. Tamin' ny taonjato faha-16 dia ny Pôrtogey sy ny Espaniôla no nampiditra azy io any amin' ny nosy sy firenena maro amin' ny tany mafana. Izany no niparitahan' ny mananasy any Azia Atsimo-Atsinanana, any Pôlinezia, sns.

Mananasy voadidy

Amin' izao fotoana izao ny mananasy dia ambolena any amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehintany rehetra. i Hawaii no miantoka ny ankamaroan' ny famokarana mananasy am-bifotsy. Ny mpamokatra lehibe hafa dia i Sina, i Brezila ary i Meksika.

Azo atao fanafody koa ny mananasy, anisan' izany ny fampihenana fanaintainana, ny mamono mikrôba sady manampy amin' ny fandevonan-kanina (misy anzima afaka mandevona prôteinina - antsoina hoe brômelainina).

Jereo koa hanova