Akondro (maniry)
Ny akondro dia zavamaniry be ravina, maitso lalandava mitovy haavo amin’ ny hazo, mitahiry rano betsaka sady fihinam-boa, nefa tsy hazo. Zavamaniry avy any Azia Atsimo Atsinanana ny akondro, nefa vokarina manerana ny faritra mafana sy mando izy ankehitriny, izay volena mba hahazoana ny voany, ny tsiratsiraka amin’ ny vatany, na ny raviny. Musa no anarana ara-tsiansan’ ny akondro.
Toerana ahafahan' ny akondro maniry
hanovaVokatra fahita manerana ny faritra rehetra manana toetanin-jana-pehin-tany ny akondro. Afaka maniry amin’ ny toerana rehetra misy rano ny akondro na amin’ ny tany mananana toetany misy ririnina tsy dia mangatsiaka loatra (toy ny an’ ny nosy Kanaria izay niavian’ ny fambolena akondro any Amerika) na amin’ ny tany mafana. Tsy afaka maniry amin’ ny tany be orampanala anefa izy. Ny sala-maripana anatin’ ny taona ahafahany maniry dia 20 °C, mila orana eo anelanelan’ ny 1 500 mm sy 2 000 mm izy hahafahany maniry tsara ary mila rivotra mando. Ny antsanga misy fotaka entin’ ny renirano sy ny ony no nofon-tany tiany aniriana.
Toetoetrany
hanovaNy vatan’ ny akondro
hanovaNy vatan’ ny akondro dia tsy inona fa ny tahon-dravina mifanosona sy mifampiditra ka miendrika varingarina matevina. Rehefa lehibe ny vatan’ akondro dia mahatratra 3 m hatramin’ ny 12 m.
Ny ravina
hanovaNy eny an-tampon’ izany vatan’ akondro izany dia ivoahan’ ny ravina be velarana miainga avy eo afovoany ka mitodika any ivelany toa tana-masoandro, ny ankamaroan’ ny raviny (ireo tsy eo afovoany) dia miondrika manondro ny tany.
Ny voniny
hanovaMivoaka avy eo afovoan’ izay ivo isarahan’ ny foto-dravina izany ny tahom-bonin’ ny akondro. Ny vony lahy dia eo am-pototr’ ilay tahom-bony fa ny vony vavy kosa dia eo an-tampon’ ny tahom-bony.
Ny voan’ akondro
hanovaTsy misy vihiny ny voan’ akondro, ka noho izany ny fampitomboan-taranaka nyakondro dia amin’ ny alalan’ ny zanany izay mipoitra avy eo am-potony avy amin’ ny fakany any anaty tany. Mirefy 10 sm hatramin’ ny 40 sm ny halavan’ ny voan’ akondro. Ny salan-danjan’ ny embok’ akondro iray dia eo amin’ny 10 kg eo nefa misy embok’ akondro mahatratra 20 kg. Ny 75 %n’ ny lanjan’ ny voan’ akondro dia rano fa ny 21 % kosa dia gliosida.
Tsingerim-piainan’ ny akondro
hanovaNy vatan’ akondro dia ahitana emboka izay maty aorian’ny fahamasahan’ny voany. Ny fakan’ akondro izay milevina any anaty tany no tsy maty fa manome zanany afaka mitomba ho akondro vaovao isan-taona. Mitombo haingana ny akondro ka mahatonga ny voan’ akondro ho masaka ao anatin’ny 10 volana aorian’ ny fambolena zanak’ akondro sy 3 volana aorian’ ny fivoahan’ ny voniny.
Famokarana sy fampiasana ny akondro
hanovaFamokarana akondro
hanovaNa dia avy any Azia aza ny akondro dia avy ao Afrika ny antsasaky ny vokatra akondro maneran-tany, nefa lany ao Afrika avokoa ny ankabetsahan’ ny vokatra. Ny firenena any Amerika Afovoany sy Amerika Avaratra no tena manondrana akondro.
Fampiasana sy karazana akondro
hanovaNy akondro sasany dia ahazoana voany mamy ka azo hanina izany rehefa masaka, ny karazany hafa indray dia manome voany izay tsy maintsy ahandroina satria tsy tena mamy (Musa paradisiaca). Misy koa ny akondro volena mba hakana ny tsiratsitaka sy ny ravina eny aminy (Musa textilis), izay ampiasaina amin’ ny fanamboarana taratasy sy tady. Misy koa karazan’ akondro ahazoana ny tadin’ abaka.
Aretina mpahazo ny akondro
hanovaBetsaka ny aretina mpahazo ny akondro izay afaka manimba ny akondro amin’ ny fambolena akondro manontolo. Tokony hisafidy karazana akondro tsara raha te hahazo vokatra mahafa-po sady hampihena ny vola lany amin’ ny fikarakarana ny fahasalamany.
Karazan' akondro
hanovaMisy ny akondro atao voly fihinana izay ahandroina alohan' ny hihinanana azy noho izy tsy tena mamy, ka azo atao laoka koa, izy no ataon' ny Malagasy hoe akondrolahy. Ny akondro mamy kosa dia azo hanina eo no ho eo rehefa masaka hoazy eny am-potony na navomboka, izy no vokatra ifampivarotan’ ny firenena manana toetany mafana sy mando amin’ ny firenena mpanodim-bokatra tsy mamboly azy.
Karazan' akondro eto Madagasikara
hanovaMisy karazany ny akondro :
- ny akondro mavokely
- ny akondro ranjalia
- ny akondro taim-parasy
- ny akondrolahy, akondro fahandro izy io.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Complete nutritional information.
- International Network for the Improvement of Banana and Plantain (INIBAP)
- Honduran Foundation of Agricultural Research (FHIA) Archived Desambra 14, 2011 at the Wayback Machine
- Banana from Fruits of Warm Climates by Julia Morton
- Banana and Plantain - University of Georgia Archived Aogositra 10, 2006 at the Wayback Machine
- Banana Fruit Facts - California Rare Fruit Growers Archived Oktobra 17, 2020 at the Wayback Machine.
- Tracing antiquity of banana cultivation in Papua New Guinea Archived Oktobra 18, 2005 at the Wayback Machine
- Bananas could split for good
- Bananas not on verge of extinction, says FAO Archived Aogositra 29, 2005 at the Wayback Machine.
- Plant pathologists unpeel rumors of banana extinction
- De Laat Koudetechniek - Information about ripeningrooms Archived Septambra 29, 2007 at the Wayback Machine
- The influence of banana stem e