India Atsinanana (faritra)

I India Atsinanana, amin' ny hevitra malalak' io andian-teny io, dia ny tany samihafa any Atsinanana na any amin' ny Ila-Bolantany Atsinanana, indrindra fa ny nosy sy tangoro-nosy ary tanibe hitan' ny Pôrtiogey mpikaroka tany ao amin' ny Ranomasimbe Indiana sy ny manodidina, taoriana kelin' ny nahitana ny Lalalan' i Cape. Amin' ny heviny tery, io andian-teny io dia nampiasaina hanondroana ny Vondronosy Malay, izay ahitana ny Vondronosy Filipina, Vondronosy Indôneziana, i Bôrneô, ary i Ginea Vaovao. Ara-tantara, io andian-teny io dia nampiasaina tamin' ny vanim-potoanan' ny Fahitana Tany Vaovao mba hilazana ny morontsirak' ireo tany ireo, anisan' izany ny Zana-kôntinanta Indiana sy ny Saikinosy Indôsinoa miaraka amin' ny Vondronosy Malay.

Sarin-tanin' i India Atsinanana tamin' ny taona 1801

Ny hoe "India Atsinanana" dia teny nampiasain' ny Eorôpeana nandritra ny fanjanahantany mba hanondroana ny tany maro any Azia Atsimo sy Azia Atsimo-Atsinanana, izany hoe ny Balotsistàna Iraniana ankehitriny, i Pakistàna, i India, i Nepaly, i Botàna, i Bangladesy, i Birmania, i Srilanka, i Maldiva, i Tailandy, i Malezia, Vietnamy, i Kambôja, i Laôsy, i Filipina, i Broney, i Singaporo, i Timôro Atsinanana ary i Indônezia (fantatra amin' ny anarana hoe India Atsinanana Neerlandey talohan' ny fahaleovantenany), afa-tsy i Ginea-Vaovao Andrefana, izay anisan' i Melanezia.

Nizara roa i India Atsinanana, ka ny vavan' i Ganges no manasaraka ny ampahany roa: i India Sisganzetika, izay antsoina ankehitriny hoe Azia Atsimo na Zana-kôntinenta Indiana, ary i India Transganzetika, izay antsoina ankehitriny hoe Azia Atsimo-Atsinanana.

Nanomboka nandeha tany amin' ireo faritany ireo ny Eorôpeana tamin' ny taonjato faha-16, tamin' ny vanim-potoan' ny "fahitana tany vaovao".

Jereo koa

hanova