Fiteny rosiana
Fiteny rosiana русский язык | |
Isan'ny mpiteny | 144 tapitrisa (L1) 258 tapitrisa (L1+L2) |
Faritany | Rosia sy firenena manodidina |
Sata | fiteny ôfisialin' i Rosia, Kazakstana, Belarosia ary Endrika:Firenena Mikambana |
Ny fiteny rosiana dia fiteny slava tenenina any amin' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha. Ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialin' i Rosia, izay nitana anjara asa lehibe amin' ny maha fiteny ifandraisan' ny samihafa firenena (lingua franca) azy tao amin' ny Empira Rosiana sy tao amin' ny Firaisana Sôvietika. Mbola ampiasaina ho fiteny faharoa ao amin' ireo repoblika sôvietika taloha ny fiteny rosiana. Atao hoe "fiteny rosiana lehibe" izy, ka mitambatra amin' ny fiteny bielôrosiana sy ny fiteny okrainiana ao amin' ny sampana atsinanana amin' ny fianakaviam-piteny slava.
Ny fiteny rosiana dia manana sata ôfisialy any Rosia, Kazakstana, Kirgizistana, Belarosia. Na dia tsy manana sata ôfisialy aza izy, dia ampiasain' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha ho fiteny ifandraisana amin' ny vahiny ny fiteny rosiana. Araka izany dia isaina eo amin' ny 100 tapitrisa eo ho eo ny nianatra ilay fiteny eran' izao tontolo izao. Raha atambatra amin' ny isan' ny olona notezaina tamin' ny fiteny rosiana izany dia eo amin' ny 255 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona miteny rosiana. Noho ny tanjaka ara-tafiky ny Firaisana Sôvietika taloha dia anisan' ny teny ôfisiain' ny Firenena Mikambana ny fiteny rosiana miaraka amin' ny fiteny arabo, anglisy, espaniola, frantsay ary sinoa.
Fanononana sy soratra
hanovaNy fiteny rosiana dia soratana amin' ny alalan' ny abidy sirilika izay ahitana litera miisa telo amby telopolo. Ny litera iray, amin' ny ankapobeny, dia tsy maneho afa-tsy feo iray, misy anefa izany ny fitsipi-panononana tsy manaraka ny fanononana fototry ny litera tsirairay nefa tsotra izany.
Misy fomba roa fanononana ny renifeo: mateza ary malemy. Zava-dehibe amin' ny fiteny rosiana ny tsindrim-peo, izay miovaova araky ny teny. Miova arak' izany ny fanononana ny zanapeo: hafohezina ny zanapeo tsy misy tsindrim-peo.
Sorabaventy | Soramadinika | Anarana | Fanononana (AAI) |
---|---|---|---|
А | а | a | a |
Б | б | be | b ~ Endrika:MSAPI |
В | в | ve | v ~ Endrika:MSAPI |
Г | г | ge | g ~ Endrika:MSAPI |
Д | д | de | d ~ Endrika:MSAPI |
Е | е | je | Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI |
Ё | ё | jo | Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI |
Ж | ж | že | ʒ |
З | з | ze | z ~ Endrika:MSAPI |
И | и | i | i |
Й | й | i fohy и краткое |
j |
К | к | ka | k ~ Endrika:MSAPI |
Л | л | el | ɫ ~ Endrika:MSAPI |
М | м | em | m ~ Endrika:MSAPI |
Н | н | en | n ~ Endrika:MSAPI |
О | о | o | o |
П | п | pe | p ~ Endrika:MSAPI |
Р | р | er | r ~ Endrika:MSAPI |
С | с | es | s ~ Endrika:MSAPI |
Т | т | te | t ~ Endrika:MSAPI |
У | у | u | u |
Ф | ф | ef | f ~ Endrika:MSAPI |
Х | х | ha | x ~ Endrika:MSAPI |
Ц | ц | ce | t͡s |
Ч | ч | če | Endrika:MSAPI |
Ш | ш | ša | ʃ |
Щ | щ | šča | Endrika:MSAPI |
Ъ | ъ | mafy tvjordyj znak (твёрдый знак) |
-- |
Ы | ы | ɨ | |
Ь | ь | malemy mjagkij znak (мягкий знак) |
-- |
Э | э | e mivadika e oborotnoje (э оборотное) |
ɛ |
Ю | ю | ju | Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI |
Я | я | ja | Endrika:MSAPI ~ Endrika:MSAPI |
Fitenim-paritra rosiana
hanovaNy fiteny rosiana dia mizara ho fitenim-paritra telo: ny fiteny rosiana avaratra sy ny fiteny rosiana atsimo ary ny fiteny rosiana afovoany, ka ity farany ity dia vondrona manelanelana ny mampiafandray nay vondrona avaratra sy atsimo. Ny fitenim-paritra atsimo sy afovoany dia miavaka amin' ny fisian' ny atao hoe akania, izany hoe ny fifangaroam-panononaa eo amin' ny zanapeo sasany tsy misy tsindrim-peo. Ny fiteny rosiana atao fenitra, izay foronin' ny fitenim-paritra afovoany ao Môskoa, dia isan' ny fiteny ôfisialin' ny Firenena Mikambana.
Fitsipiteny
hanovaNy anarana
hanovaNy anarana, izay mety ho kandahy na kambavy na tsy atsy tsy aroa, dia misy fiovana endrika arakaraka ny anjara asany (nôminativa, akiozativa, jenitiva, dativa, fitaovana ary toerana) sy ny filaza isa (tokana sy maro).
Mifanaraka amin' ny kandahy na ny kambavy sy ny filaza isa ary ny endrika araka anjara asa ny mpamaritra (mpamari-toetra, sns).
Ny matoanteny
hanovaMiseho amin' ny filazam-potoana, dia ny ankehitriny, ny lasa ary ny hoavy, ny matoanteny.
Ny matoanteny koa dia manambara fanehoan-javatra, izay mety ho fanehoan-javatra mifetra (perfektiva) sy ny fanehoan-javatra tsy mifetra (imperfektiva). Ny fanehoan-javatra mifetra dia maneho manontolo ny hetsika ambaran' ny matoanteny, matetika amin' ny fiheverana ny fahavitany. Ny fanehoan-javatra tsy mifetra kosa dia iheverana ny hetsika ambaran' ny matoanteny ho toy ny miverimberina.
Ny fanavahana ny fanehoan-javatra dia hita ao amin' ny filaza telo: tsotra (indikativa) sy ifampiankinana-mihonohono (kôndisiônaly-sobjônktiva) ary mandidy (imperativa).
Ny fanehoan-javatra koa dia hita amin' ny ova-matoanteny (partisipa) sy amin' ny endriky ny matoanteny izay miasa toy ny tambinteny sy mpamaritra.
Ny matoanteny koa dia mety ho amin' ny fitodika mpanao (aktiva) na iharana (pasiva).
Fandrafetana fehezanteny
hanovaTsy hentitra ny filaharan' ny teny anaty fehezanteny noho ny fisian' ny fiovan' endriky ny teny arakaraka ny anjara asany am-pehezanteny, sy noho ny fisian' ny fitanisana matoanteny.
Ny voambolana
hanovaNy voambolana rosiana dia miavaka fahafahana mamorona teny ao amin' ny fisian' ny fianakavian-teny mivelatra dia mivelatra amin' ny alalan' ny fanasampanana teny avy amin' ny fototeny iray, izany hoe amin' ny alalan' ny fametrahana tovona sy tovana isan-karazany.