Ny tambinteny dia teny (sokajin-teny) izay natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany amin'izany dia mety ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns, ka ahafahana mamaly ny fanontaniana hoe: amin' ny fomba ahoana?, oviana?, aiza?, sns. Ny tarika foronin' ny tambinteny sy ny teny na tarika mameno azy no anatao hoe "tarika tambinteny".

Afaka ialohavana na arakarahin-teny (na andian-teny) mameno azy ny tambinteny ka ahazoana ny atao hoe "tarika tambinteny", ary ireo teny maneno azy ireo no atao hoe "famenon' ny tambinteny".

Famenon' ny tambinteny hanova

Ny famenon' ny tambinteny dia teny na andian-teny mameno ny tambinteny ka mety misy na tsy misy mpampiankin-teny manakambana azy amin' ny mpamari-toetra fenoiny, arakaraka ny fiteny. Ny andian-teny foronin' ny tambinteny sy ny famenony no atao hoe "tarika tambinteny".

Jereo koa hanova