Filaza mandidy
Ny filaza mandidy dia endriky ny teny (ny matoanteny indrindra) izay atao hilazana baiko na fandraràna. Ao amin' ny fiteny maro dia anambaràna fiangaviava na fanasana, torohevitra na firariana, tsodrano na ozona koa ny filaza mandidy.
Ny filaza mandidy sy ny filaza hafa
hanovaNy mariky ny filaza mandidy
hanovaMatetika miavaka amin' ny filaza tsotra ny filaza mandidy amin' ny tsy fahitana ny teny atao lazaina (mpisolo tena na anarana na hafa) izay tokony hanondro ny olona itenenana na ny mpisolo tena manam-pifandraisana aminy.
- Mividy fanafody ianao. (filaza tsotra)
- Mividiana fanafody. (filaza mandidy)
Ny hevitry ny filaza mandidy
hanovaManabara baiko na didy na fandrarana ny filaza mandidy, nefa mety hanambaràna fiangaviava, fanasana, torohevitra, firariana, tsodrano, ozona, na fepetra koa.
Filaza mandidy sy laharam-pitanisana
hanovaHo an' ny mpisolo tena faharoa fotsiny
hanovaTsy miavaka ny tokana sy ny maro
hanovaNy fiteny sasany dia manana endrika mandidy ho an' ny mpisolo tena faharoa milaza tokana sy milaza maro. Ohatra, tsy miavaka ny an'ny fiteny malagasy sy ny an' ny fiteny anglisy ary an' ny fiteny maro hafa koa:
- Mihainoa ahy (ianao/ianareo)
- Listen to me ("Mihainoa ahy ianao/ianareo")
Miavaka ny tokana sy ny maro
hanovaNy fiteny maro dia manana endrika mandidy ho an' ny mpisolo tena faharoa milaza tokana sy milaza maro. Tsy miavaka ny an' ny fiteny malagasy fa ny an' ny fiteny latina dia miavaka.
- Audī ("Mihainoa (ianao)")
- Audīte ("Mihainoa (ianareo)")
Ho an' ny mpisolo tena voalohany milaza maro sy fahatelo koa
hanovaHo an' ny mpisolo tena voalohany milaza maro koa
hanovaNy fiteny sasany dia manana endrika mandidy ho an' ny mpisolo tena voalohany milaza maro. Toy izany ny fiteny frantsay:
- Achète du médicament ("Mividiana fanafody (ianao)").
- Achetons du médicament ("Ndeha isika hividy fanafody").
- Achetez du médicament ("Mividiana fanafody (ianareo)").
Ho an'ny lahara-mpandray anjara rehetra
hanovaFiteny malagasy
hanovaAo amin' ny fiteny malagasy, raha tsy amin' ny fiendrika manano ny matoanteny dia azo atao amin' ny filaza mandidy amin' ny lahara-mpandray anjara mitana ny anjara asa lazaina rehetra ny matoanteny.
Ampio
- 1 Ampio aho. (= Manampia ahy ianao)
- 2 Ampio ianao. (Ampio ny tenanao) (= Manampia ny tenanao ianao)
- 3 Ampio izy. (= Manampia azy ianao)
- 1 Ampio isika. (= Manampia antsika ianao)
- 1 Ampio izahay.(= Manampia anay ianao)
- 2 Ampio ianareo. (Ampio ny tenanareo) (= Manampia ny tenanareo ianao/ianareo)
- 3 Ampio izy ireo. (= Manampia azy ireo ianao)
Manampia
- 1 Manampia azy aho
- 2 Manampia azy ianao
- 3 Manampia azy izy
- 1 Manampia azy isika
- 1 Manampia azy ianareo
- 2 Manampia azy ianareo
- 3 Manampia azy izy ireo
Fiteny tiorka
hanovaAo amin' ny fiteny tiorka dia ahazoana filaza mandidy avokoa ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny rehetra.
- 1. Içeyim ("Ndeha hisotro aho")
- 2. Iç ("Misotroa ianao")
- 3. Içsin ("Aoka izy hisotro")
- 1. Içelim (Ndeha/Aoka hisitro isika")
- 2. Için ("Misotroa ianareo")
- 2. Içiniz ("Aoka ianao/ianareo hisotro")
- 3. Içsinler ("Aoka izy ireo hisotro")
Sokajin-teny azo atao amin' ny filaza mandidy
hanovaNy matoanteny no matetika mahazatra ao amin' ny fiteny eorôpeana sy ny maro hafa fahita amin' ny filaza mandidy, nefa amin' ny fiteny sasany dia azo atao amin' ny filaza mandidy koa ny teny ao amin' ny sokajin-teny maro hafa.
Ny matoanteny
hanovaNy matoanteny no matetika mahazatra ao amin' ny fiteny eorôpeana sy ny maro hafa fahita amin' ny filaza mandidy. Indreto misy ohatra vitsivitsy maneho izany.
Ao amin' ny teny frantsay
hanova- Gilbert, passe-moi le sel, s'il te plaît !
- Prends une aspirine et essaie de te reposer un peu !
- Pardonne-nous nos offenses !
Ao amin' ny teny anglisy
hanovaNy matoanteny mandrify ny mpisolo tena lazaina (takona) laharana faharoa (you) no tena azo atao amin' ny filaza mandidy.
Ohatra
- Touch me!
- Don't touch me!
Ny matoanteny manandrify ny mpisolo tena laharana hafa (I, he, she, it, we they) dia tsy tena azo lazaina fa afaka manana endrika mandidy.
Ohatra
- Let me (Let's) see.
- Let us (Let's) go.
- Let him run.
- Let her run.
- Let it run.
- Let them run.
Ny reniteny hafa
hanovaAmin' ny fiteny maro dia tsy ny matoanteny ihany no azo atao amin' ny filaza madidy fa ny mpamari-toetra na sokajin-teny hafa koa. Toy izany no mitranga ao amin' ny fiteny malagasy.
- Maty ny mpanao ratsy. (filaza tsotra)
- Matesa ny mpanao ratsy. (filaza mandidy)
- Velona ianareo. (filaza tsotra)
- Veloma ianareo. (filaza mandidy)
Ny filaza mandidy mandà
hanovaTsy mitady mpanampy
hanovaAmin' ny fiteny sasany dia tsy mitady mpanampy (matoanteny mpanampy indrindraindrindra) ny filaza mandidy mandà.
Ohatra
- Touchez-moi. Ne me touchez pas.
- Donne-le-leur.
- Ne le leur donne pas.
Mitady mpanampy
hanovaFiteny malagasy
hanovaAmin' ny fiteny malagasy dia tsy amin' ny filaza mandidy fa amin' ny filaza tsotra ny matoanteny na ny mpamari-toetra raha amin' ny endrika mandà ny fehezanteny ka ny fandavana dia asehon' ny mpanampy "aza".
Ohatra
- Mividy fanafody ianao. (filaza tsotra)
- Mividiana fanafody ianao. (filaza mandidy tsotra)
- Aza mividy fanafody ianao. (filaza mandidy mandà)
- Maty ny mpanao ratsy. (filaza tsotra)
- Matesa ny mpanao ratsy. (filaza mandidy tsotra)
- Aza maty ny mpanao ratsy. (filaza mandidy mandà)
Fiteny latina
hanovaAmin' ny fiteny latina koa dia ahitana zavatra sahala amin' izany ka ny teny hoe "nōlī" ("aza ... ianao") na "nōlīte" ("aza ... ianareo") no mitondra ny mariky ny filaza mandidy sy ny fandavana.
Ohatra
- Audī ("Mihainoa (ianao)")
- Nōlī audīre ("Aza mihaino (ianao)")
- Audīte ("Mihainoa (ianareo)")
- Nōlīte audīre ("Aza mihaino (ianareo)")
Fiteny anglisy
hanovaAmin' ny fiteny anglisy koa dia ny matoanteny "do" no ampiasana miaraka amin' ny teny hoe "not" eo alogan' ny matoanteny voakasika. Raha te hanantitrantrantitra dia azo atao ny mampiasa ny "do" amin' ny filaza mandidy tsy mandà.
Ohatra
- Go out.
- Don't go out.
- Do be quiet!
- Do help yourself!
Filazam-potoan' ny filaza mandidy
hanovaFilazam-potoana tokana
hanovaAmin' ny fiteny maro dia tsy manana afa-tsy filazam-potoana tokana ny filaza mandidy.
Filazam-potoana roa
hanovaNy fanavahana atao hoe "lasa" (frantsay: impératif passé) sy "ankehitriny" (frantsay: impératif présent) ao amin' ny filaza mandidy, toy ny hita ao amin' ny fiteny frantsay, dia fanavahana ara-panehoan-javatra ka tokony hantsoina hoe "filaza mandidy efa" (frantsay: impératif accompli) sy "filaza madidy tsy efa" (frantsay: impératif non accompli) ireo endrika roa ireo.
- Rentrez à sept heures ("Modia ianareo amin' ny fito")
- Soyez rentrés à/avant sept heures ("Tafodia ianareo amin' ny/alohan' ny amin' ny fito").
Filaza mandidy ankehitriny sy hoavy ary lasa
hanovaMisy ny fiteny manavaka ny ankehitriny amin' ny hoavy, eny fa na amin' ny lasa koa aza.
Ao amin' ny fiteny latina dia ahitana filaza mandidy ankehitriny sy hoavy, ka ilay atao hoe ankehitriny dia mitaky fanatanterahana eo no ho eo ny zavatra andidiana fa ilay atao hoe hoavy dia tsy mitaky izany eo no ho eo fa any amin' ny fotoana hoavy. Amin' io endrika hoavy io vao mitranga ny endrika mifandraika amin' ny olona na zavatra tenenina (laharana fahatelo).
Filaza mandidy ankehitriny:
- Audī ("Mihainoa (ianao izao ankehitriny izao)")
- Audīte ("Mihainoa (ianareo izao ankehitriny izao)")
Filaza mandidy hoavy:
- Audītō ("Mihainoa (ianao amin' ny hoavy)")
- Audītōte ("Mihainoa (ianareo amin' ny hoavy)")
- Audiuntō ("Aoka izy hihaino (amin' ny hoavy)")
Ao amin' ny fiteny neerlandey dia ahitana filazam-potoana lasa ny filaza mandidy:
- Had gebeld! ("Tokony niantso ianao!")
- Was gekomen! ("Tokony tonga ianao!")
Fananterana
hanovaRaha te hanantitra ny filaza mandidy dia matetika ilaina ny manampy teny hafa.
Fiteny anglisy
hanovaRaha te hanantitrantrantitra dia azo atao ny mampiasa ny "do" amin' ny filaza mandidy tsy mandà.
Ohatra
- Do be quiet!
- Do help yourself!
Fiteny alemana
hanovaTsy manantitra
hanova- Sing! na: Singe! – "Mihirà (ianao)!"
- Singt! – "Mihirà (ianareo)!"
- Singen Sie! – "Aoha hihira ianao/ianareo!" (manaja kokoa)
- Seien Sie still! – "Aoha hangina ianao/ianareo!" (manaja kokoa)
Manantitra
hanovaMba hanamafisana ny filaza mandidy dia azo ampiasaina ny mpisolo tena du ("ianao") na ihr ("ianareo").
Ohatra
Geh weg! – Geh du doch weg! ("Mandehana!" – "Mandehana ianao!").
Ny rafi-pehezanteny amin' ny filaza mandidy
hanovaAo amin' ny fiteny sasany dia matetika tsy mitovy ny filahatry ny teny ao amin' ny fehezanteny amin' ny filaza tsotra sy ny ao amin' ny fehezanteny amin' ny filaza mandidy na ao amin' ny fehezanteny amin' ny filaza mandidy mandà (mandrara). Izany no mitranga ao amin' ny fiteny frantsay.
- Donne-le-leur. ("Omeo azy ireo izany/izy.")
- Ne le leur donne pas. ("Aza omena azy ireo izany/izy.")