Ny fiteny slava dia ireo fiteny indô-eorôpeana ao amin' ny vondrom-piteny baltô-slava. Vondrom-pitenin' ny olona monina ao Eorôpa Afovoany sy ao Balkana sy ao Eorôpa Atsinanana sy ao Siberia ary ao amin' ny tapany farany atsinanan' i Rosia ary ao Azia Afovoany.

Fiteny slava

Sampan' ny fianakaviam-piteny slavaHanova

Mizara fianakaviana telo ireo fiteny slava ireo, dia ny fianakaviam-piteny slava atsinanana sy andrefana ary atsimo.

Fiteny slava atsinananaHanova

Ny fiteny rosiana, ny fiteny bielôrosiana, ny fiteny rotena na rosina ary ny fiteny okrainiana dia ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana.

Fiteny slava andrefanaHanova

Ny fiteny tseka, ny fiteny slôvaka, ny fiteny soraba ary ny fiteny pôlôney sy ireo fiteny lesitika tahaka azy (fiteny kasoba, polaba, slôvitsa ary silesiana) dia ao amin' ny fianakaviam-piteny slava andrefana.

Fiteny slava atsimoHanova

Ny fiteny serbô-krôaty (fiteny krôaty, fiteny bôsniana, fiteny môntenegrina, fiteny serba) sy ny fiteny bolgara, ny fiteny makedôniana ary ny fiteny slôvena dia isan' ny fianakaviam-piteny slava atsimo.

Fanoratana ny fiteny slavaHanova

Soratana amin' ny abidy latina nampiana mari-tsoratra ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava andrefana. Ireo fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsimo dia soratana amin' ny abidy sirilika sy amin' ny abidy latina. Ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsinanana dia soratana amin'ny abidy sirilika.

Jereo koa:Hanova

Vondrona ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana