Ny fiteny ao Rosia dia fiteny maro, ka anisan' izany ny fiteny rosiana sy ny fitenin' ny vahoaka vitsy anisa ampiasaina manerana ilay firenena izay eo anelanelan' ny 100 sy 150 ny isany. Ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialy sady fiteny be mpampiasa indrindra any Rosia. Anisan' ny fiteny ôfisialy enina ampiasaina ao amin' ny Firenena Mikambana (ankoatra ny fiteny sinoa, ny fiteny anglisy, ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ary ny fiteny arabo) ny fiteny rosiana.

Araka ny fanisam-bahoaka rosiana tamin' ny taona 2010 dia 137,5 tapitrisa no miteny rosiana manerana ny firenena; 4,3 tapitrisa no niteny tatara, ary 1,1 tapitrisa no miteny okrainiana. Manana zo ny repoblika tsirairay ao amin' ilay firenena mba hamaritra ny fiteny ôfisialiny avy ho fanampin' ny fiteny rosiana ny lalàmpanorenana; io lalàmpanorenana io koa dia miantoka ny zon' ny olom-pireneny hitahiry ny fitenin-drazany sy handrafitra fepetra hianarana sy ny hampandrosoana ireo fiteny ireo.