Vondrom-piteny papoa

(tonga teto avy amin'ny Fiteny papoa)

Ny fiteny papoa dia vondrom-piteny ao amin' ny tapany andrefan' ny Ôseana Pasifika sady tsy fiteny aostrôneziana no tsy fiteny aostraliana. Tsy mpihavana ny fiteny ao amin' io vondrona io ka tsy mamorona fianakaviam-piteny. Ny faritra misy olona miteny amin' ny fiteny papoa dia ny ao Ginea Vaovao sy ny nosy manakaiky azy (Britaina Vaovao, Irlandy Vaovao, Yapen sy Biak) ary ny ampahany sasany amin' i Indônezia atsinanana (Alor sy Halmahera, ary Timor). Ny fanasokajiana ny vahoaka papoa, izay avahana amin' ny Melaneziana, dia naroso ka notondroin' i Sidney Herbert Ray toy izany tamin' ny taona 1892.

Mena: faritra misy mpiteny papoa

Jereo koa

hanova

Fiteny mifanakaiky ara-jeôgrafia amin' ny fiteny papoa

Fianakaviam-piteny lehibe

Vondrom-pianakaviam-piteny