Ny fetisisma, amin' ny etnôlôjia, dia ny fanajana ny zavatra azo tsapain-tanana (sarivongana madinika, sns) ao amin' ny sehatrty ny fivavahana na ny mistika. Endrika finoana sy fanao ara-pivavahana izay inoana ny fananana fahefana mihoatra ny ara-boajanahary ao amin' ny zavatra azo tsapain-tanana sy tsy misy aina antsoina hoe "fetisy" ny fetisisma.

Fanehoana an-tsary ny fetisy tany Afrika Atsimo nataon' ny London Missionary Society, manodidina ny taona 1900.

Ny fetisisma koa dia fivavahana amin' ny zavaboary toy ny rivotra, ny renirano, ny afo, ny biby, ny hazo, eny fa na ny vato aza, na amin' ny zavaboary tsy hita maso, fanahy mahasoa na ratsy, toy ny ody ao Afrika Afovoany, ny burkhan any Siberia, sns. Ity fanao ity dia misy majika (na mazia), matetika mifandray amin' ny lanonana maro sy fombafomba madinika maro.

Ny fetisy amin' ny ankapobeny dia sarin-javatra novolavolaina na nosokirina avy amin' ny tanimanga, ny vato, ny hazo, ny fitaratra na fitaovana hafa, sary maka tahaka ny biby atao ho andriamanitra na zavatra hafa. Matetika io sary io dia vita amin' ny volom-biby, ny volom-borona, ny volo, ny taolana na ny nifin' ny biby mpiahy (mpiaro). Mety ho ilay biby izany indraindray, ary indraindray hazo, renirano, vato na toerana mifandray amin' ilay mpiaro ao an-tsain' izay mino izany.

Amin' ny toe-javatra sasany, ny finoana dia miraikitra amin' ny fomba mazava tsara eo amin' ilay zavatra, hany ka takona ny fifandraisana tany am-boalohany amin' ilay mpiaro, ary ilay finoana dia miova ho fivavahana amin' ny sampy (fanompoan-tsampy). Taloha dia noheverina fa taty Afrika Andrefana ihany no nanaovana ny fetisma, saingy fantatra ankehitriny fa ampiasain' ny olona any amin' ny firenena rehetra izy io. Ny antrôpôlôga tamin' ny taonjato faha-19 dia nampiasa io teny io mba hilazana fotsiny ny finoana ny hery (fanahy) mifandray amin' ny zavatra azo tsapain-tanana izay heverina fa manana hery ara-panahy.

Ny fiheverana vao haingana koa dia manao singa materialy ho fetisy anaovana fanompoam-pivavahana, na dia tsy mampifandray azy ireo amin' ny mihoatra ny ara-boajanahary aza ireo izay manao an' io fivavahana io (izay matetika no mitranga rehefa ampiasaina ny fetisy hiadiana amin’ ny hery ratsy).

Teny malagasy hanova

Indreto ny teny malagasy, izay manondro zavatra ampiasaina amin' ny finoana nentim-paharazazana malagasy, ampifandraisina amin' ny teny frantsay hoe "fétiche"[1]: mohara[2], ody[3], sampy[4] izay samy manana ny heviny manokana sy ny zavatra tondroina azy.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "Fétiche" in Dictionnaire et Encyclopédie malgache
  2. "Mohara" in Dictionnaire et Encyclopédie malgaches
  3. "Ody", in Dictionnaire et Encyclopédie malgache
  4. "Sampy" in Dictionnaire et Encyclopédie malgache