Hanokatra ny renilisitra
Ny sampy tsirairay dia namboarina tamin-javatra samihafa.

Ny sampy teo amin'ny finoan-drazana malagasy dia sary na tapa-javatra azo tsapain-tanana izay inoana fa mananan-kasina teo amin'ny foko maro eto Madagasikara. Fitambaran-javatra misy eny amin'ny natiora no anamboarana azy. Ny ody, izay karazana sampy isam-batan'olona, dia ninoana fa miaro na manome hery ny mpitondra na ny mpiravaka azy. Hatramin'ny andevo ka hatramin'ny mpanjaka dia nanana ody. Ny sampy dia ninoana fa miaro ny mpiara-monina manontolo. Matetika dia nanana ny maha izy azy ny sampy tsirairay ka nanana ny trano sy ny anarany manokana ary ny mpikarakara azy manokana.

Sampy teo amin'ny Fanjakana merinaHanova

Tamin'ny taonjato faha-16 dia nahangona sampy niisa roa ambin'ny folo tamin'ireo foko nanodidina azy ny mpanjaka merina Ralambo ka ninoana fa mahery dia mahery ireo sampy ireo.

Novany ny fifandraisana nisy teo amin'ny sampy sy ny mpanjaka: taloha dia fitaovana teo ampelan-tanan'ny lehibem-poko ny sampy fa tamin'ny andron-dRalambo kosa dia nanjary zanahary mpiaro ny mpanjaka sy ny fanjakany ny sampy. Ninoana ho nitohy hatrany izany fiarovava izany raha hajain'ny taranak'andriana rehetra ny sampy. Ireo sampy lehibe roa ambin'ny folo nangonin-Ralambo ireo dia ninoana fa nanamafy ny fahefana sy ny fankatoavam-bahoaka ny taranak'andriana tao Imerina[1].

Ny nampidirana ny sampyHanova

Ny Tantara ny Andriana eto Madagasikara dia mitantara ny nampidirana ny sampin'andriana tao Imerina. Araka ny fitantarana dia nisy vehivavy atao hoe Kalobe tonga tao Imerina tamin'ny andron-dRalambo nitondra zavatra kely mifono ravin'ankondro sy ahitra. Avy nandao ny tanànany tao Isondra any amin'ny tanin'ny Betsileo, izay ravan'ny afo, izy ka nanao dia lavitra sady tsy nandeha raha tsy amin'ny alina mba hanomezany ny mpanjaka ilay sampy nantsony hoe Kelimalaza. Noheverina ho ny harena lehibe indrindra izany. Noraisin-dRalambo ilay sampy ka nanamboarany trano teo amin'ny tanàna akaiky ny lapany. Nifidy olona hianatra ny tsiambaratelo momba io sampy io amin'i Kalobe ny mpanjaka Ralambo. Nataon'ny mpanjaka izay tsy hahaveloman'i Kalobe intsony rehefa azo daholo ny momba an'i Kelimalaza amin'izay tsy ho entiny mandositra ilay sampy masina[2].

Ny finoana ny herin'ny sampyHanova

Fotoana kely taorian'io dia nisy mpiady Sakalava (na Vazimba, hoy ny lovantsofina hafa) niomana hanafika ny vohitra eo avaratr'i Alasora atao hoe Ambohipeno. Niteny Ralambo fa atsipy fotsiny ny lamokan'atody dia anjaran'i Kelimalaza ny manohy ny sisa. Natoraka tokoa ny lamokan'atody ka nahavoa ny lohan'ny iray amin'ireo mpanafika ka nahafaty azy. Lavo tamin'ny mpanafika hafa io ka nahafaty azy koa, dia toy izany hatranihatrany mandra-pahalany ritra ny mpanafika rehetra. Voaporofo amin'izay ny herin'i Kelimalaza mpiaro ny fanjakana teo amin'ny fisainan'ny vahoaka merina. Torak'izany koa ny zava-niseho tao amin'ny tanànan'Ambohimanamboka izay nataon'ny fahavalo fahirano: nantsoina i Kelimalaza dia nisy havandra niraraka ka nandripaka ny fahavalo[2].

Ny nitomboan'ny isan'ny sampyHanova

Ny toeram-boninahitra nomen-dRalambo an'i Kelimalaza dia nahatonga ny olona toa an'i Kalobe hitondra ny sampiny any amin-dRalambo avy amin'ireo tanàna akaiky azy izay efa nitondran'ny Antemoro sampy tany aloha ela. Taorian'i Kelimalaza dia tonga Ramahavaly, izay ninoana fa mifehy ny bibilava sady miaro amin'ny famelezany. Taty aoriana dia tonga koa i Manjakatsiroa, izay mpiaro ny mpanjaka amin'ireo fahavalony sady lasa sampy tian-dRalambo indrindra, izay tsy nisaraka taminy. Tonga koa Rafantaka, izay ninoana fa miaro amin'ny ratra sy ny fahafatesana; maro koa ireo sampy tonga taty aoriana, avy any amin'ny Antemoro, afa-tsy i Mosasa izay avy any amin'ny Tanala any atsinanana[2].

Sampin'andrianaHanova

Niely ny fanompoana sampy teo amin'ny vahoaka tao Imerina tamin'ny andron-dRalambo: saika ny lohandohany rehetra tamin'ny vohitra sy ny fianakaviana tsotra dia samy nanana ny sampiny sady nitoky tamin'ny hery sy ny fiarovan'ny sampiny avy[3]. Nopotehina ireo sampy madinika ireo na natao ho ody isambatan'olona ihany tamin'ny faramparan'ny fitondran'Andrianjaka, zana-dRalambo, ka tsy nisy afa-tsy roa ambin'ny folo ny sampy nahery indrindra (izay fantatra tamin'ny anarana hoe "sampin'andriana") izay an'ny mpanjaka daholo[3]. Ireo sampin'andriana ireo, isan'izany i Kelimalaza, dia nambenan'ny mpiandry sampy izay matetika anontanian'ny lehibe sady lasa tandapa nanana ny maha izy azy tamin'ny taonjato faha-19[4].

Ny anaran'ireo sampy roa ambin'ny foloHanova

Ireto ireo sampy ireo:

  • Kelimalaza na Ikelimalaza
  • Ramahavaly
  • Manjakatsiroa na Imanjakatsiroa
  • Rafantaka
  • Mosasa
  • Ratsimahalahy

Fandoroan-dRanavalona II ny sampin'andrianaHanova

Notompoina ny sampy hatramin'ny nadoran-dRanavalona II azy ireo tamin'ny niovany finoana ho amin'ny fivavahana kristiana tamin'ny taona 1869[5].

 
Ody na mohara azo tamin'ny mpigadra nandritra ny fikomiana tamin'ny taona 1897

Jereo koa:Hanova

LoharanoHanova

  1. Graeber, David (2007). Lost People: Magic and the Legacy of Slavery in Madagascar. Bloomington, IN: Indiana University Press. pp. 35–38. ISBN 978-0-253-21915-2.
  2. 2,0 2,1 et 2,2 De La Vaissière, Camille; Abinal, Antoine (1885). Vingt ans à Madagascar: colonisation, traditions historiques, moeurs et croyances (in French). Paris: V. Lecoffre. pp. 63–71. Notsidihina 19/02/2011.
  3. 3,0 et 3,1 Raison-Jourde, Françoise (1983). Les souverains de Madagascar (in French). Antananarivo: Karthala Editions. pp. 141–142. ISBN 978-2-86537-059-7. Retrieved February 18, 2011.
  4. Freeman, Joseph John; Johns, David (1840). A narrative of the persecution of the Christians in Madagascar: with details of the escape of six Christian refugees now in England. Berlin: J. Snow. Retrieved February 5, 2011.
  5. Oliver, Samuel (1886). Madagascar: An Historical and Descriptive Account of the Island and its Former Dependencies, Volume 1. New York: Macmillan and Co. p. 118. Retrieved February 3, 2011.