Fanjakan' i Israely (Samaria)

(tonga teto avy amin'ny Fanjakan'i Israely (Samaria))

Ny Fanjakan' i Israely na Fanjakan' i Samaria na Fanjakana Avaratra dia fanjakà-mpanjaka tao Atsinanana-Akaiky taloha izay naorin' ny Israelita tao amin' ny tapany avaratr' i Palestina tamin' ny Andron' ny Vy. Naharitra 200 taona io fanjakana io, izay nisy nanomboka tamin'ny taonjato faha-10 tal. J.K. sy rava tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K. (taona 930 - 720 tal. J.K.).

Fanjakan'i Israely sy Fanjakan'i Jodà tamin'ny taonjato faha-9 tal. J.K.

Ny mpahay tantara dia manome anarana azy hoe "Fanjakan' i Samaria" na "Fanjakana Avaratra" mba tsy hifangaroany amin' ny Fanjakan' i Jodà ao atsimo na ny Fanjakan' i Israely fony mbola nitambatra. Araka ny Baiboly dia nandimby ny Fanjakan' i Israely mitambatra sy ny an' i Jodà izy. Atao hoe "Efraima" koa izy indraindray.

Maro ireo fianakavia-mpanjaka nifandimby nitondra tao amin' io fanjakana io. I Sikema no renivohiny talohan' ny nisafidianan'i Jeroboama an'i Tirtsa (na Tirza). Taty aoriana dia nanorina ny tanànan' i Samaria i Ômry ka lasa renivohitry ny fanjakana io tanàna io hatramin'ny nanorenana azy ka hatramin'ny namaboan' ny Asiriana azy.

Tsy tena tsara ny filazan' ny Baiboly ny amin'ity fanjakana ity noho ny vahoaka nonina tao sy ny mpanjakany lazainy fa nanalavitra ny fampianaran' i Mosesy (na Môizy) tamin'ny fanompoan'izy ireo sampy. Noravàn' ny Asiriana tamin'ny taona 720 tal. J.K. ny Fanjakan'i Israely.

Fokon' i Israely tao amin' ny Fanajakana Avaratra hanova

Ireto ireo fokon' i Israely folo tao Avaratra izay lazaina koa fa tsy hita popoka taorian' ny fandravàn' ny Asiriana ny Fanjakan' i Israely:

Ny fokon' i Jodà sy ny fokon' i Benjamina no tsy tao amin' io fanjakana io. Nisy ampahany tamin' ny fokon' i Levy izay nisahana ny resaka fivavahana tao amin' ny Fanjakan' i Israely.

Lisitry ny mpanjakan' i Israely hanova

Nanomboka tamin'ny nisarahan'ny Fanjakan'i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà dia ireto ny mpanjakan' i Israely nifandimby raha tsy isaina i Saoly (na Saola) sy i Isbôseta sy i Davida ary i Sôlômôna (na Salômôna).

  • Jerôbôama I (hebreo: יָרָבְעָם‬ / Yaraḇe‘am);
  • Nadaba (hebreo: נָדָב‬ / Naḏaḇ);
  • Basa na Baasa (hebreo: בַּעְשָׁא‬, / Baʿashaʾ);
  • Ela (hebreo: אֵלָה‎ /’Elah);
  • Zimry (hebreo: זִמְרִי / Zimri,);
  • Ômry (hebreo: עמרי‬ / ‘Omri);
  • Ahaba (hebreo: אַחְאָב / ʼAḥʼaḇ);
  • Ahazia na Ôkôziasa (hebreo: אֲחַזְיָה‎ / ’Aḥazyah);
  • Jehôrama (hebreo: יְהוֹרָם‎ / Yehoram);
  • Jeho (hebreo: יֵהוּא‬ /Yehu);
  • Jôahaza na Jôakaza (hebreo: יְהוֹאָחָז‎ / Yeho’aḥaz);
  • Joasy na Jôasa (hebreo: יהואש / Yeho’ash na יואש / Yo’ash);
  • Jerôbôama II (hebreo: יָרָבְעָם‎ / Yaraḇe‘am);
  • Zakaria (hebreo: זְכַרְיָה‎ / Zeḵaryah);
  • Saloma (hebreo: שַׁלּ֤וּם‎ / Shallum);
  • Menahema (hebreo: מְנַחֵם / Menaẖem);
  • Pekahia na Faseia (hebreo: פקחיה‎ / Peqaḥyah);
  • Peka na Fasea (hebreo: פֶּ֨קַח‎ / Peqaḥ);
  • Hôsea na Ôsea (hebreo: הושע / Hoshea‘);

Jereo koa hanova