Arama (faritra)
I Arama dia faritra tao avaratra-atsinanan' ny Atsinanana Akaiky eo anelanelan' ny tangoron-tendrombohitr' i Libàna (na Libanona) sy ny ony Eofrata izay mifanandrify amin' i Siria ankehitriny. Atao hoe Arameana ny mponina tamin' io faritra io tamin' ny Andro Taloha tamin' ny taonjato faha-11 tal. J.K. hatram' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ny fiteny arameana no fiteniny. Resahina ao amin' ny Baiboly ny faritr' i Arama.
Tamin' ny andron' ny Empira akadiana sy ny Empira someriana vaovao ary ny Empira asiriana taloha dia "Tanin' ny Amoro" no nahalalana azy satria ny Amôrita no betsaka nonina tao. Tamin' ny andron' ny Empira asiniana vaovao sy ny Empira babilôniana ary ny Empira akemenida dia fantatra tamin' ny anarana hoe Ebera-Nary ny faritr' i Arama.
Ny Amôrita
hanovaNy Amôrita na Amôreana dia vahoaka semitika mpivezivezy nanaomboka tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. tao amin' ny tany misy zavamaniry zeny sy tao amin' ireo tendrombohitra ao Siria ao andrefan' i Mesôpôtamia. Niditra tsikelikely tany Mesôpôtamia ny Amôrita ka nikarama nanao miaramila na nanao asa hafa tamin' ny tanin' ny mpifanila vodirindrina aminy, nandroba tanàna na nonina tamin' ny tanànany toa an' i Kisy, i Larsa (na Laraga na Laraka), i Sipara (na Sipira), i Mary, i Asora, sns. Nisy fianakaviana nanjaka tao Babilôna teo anelanelan' ny taona 1894 sy 1595 tal. J.K. izay nampiray an' i Mesôpôtamia tamin' ny andron' ny mpanjaka Hamoraby (taona 1793 hatramin' ny 1750 tal. J.K.).