Endri-paritra
Ny endri-paritra dia endrika voasahan' ny fijerin' ny mpitazana eo amin' ny velaran-tany iray, izay ahitana ny endrik' ilay tany, sy ny fomba ifandraisan' izany amin' ny endri-javatra voajanahary na nataon' olombelona, izay matetika heverina amin' ny lafiny kanto. Ahitana singa ara-pizikan' ny fikitoantoanan' ny vohon' ny tany voafaritra ara-jeôfizika ny endri-paritra, ka anisan' izany ny tendrombohitra, ny havoana, ny ony, ny renirano, ny farihy, ny dobo ary ny ranomasina; ahitana singa velona eo amin' ny firakotry ny tany, toy ny zavamaniry teratany, ny singa avy amin' ny olombelona toy ny endrika fampiasana ny tany, ny trano, ary ny rafitra, ary koa ny singa toy ny jiro fanazavana sy ny toetrandro. Amin' ny fanakambanany ny fiaviany ara-pizika sy ny fisian' ny singa ara-kolontsain' ny olombelona, izay matetika voaforoa nandritra ny an' arivony taona maro, dia maneho ny fitambarana velon' ny olona sy ny toerana izay tena iankinan' ny maha-izy azy ny eo an-toerana sy ny firenena ny endri-paritra.
Ny toetran' ny endri-paritra iray dia manampy amin' ny famaritana ny toetra ankapoben' ny olona monina ao sy amin' ny famaritana ny fahatsapana ho anisan' ilay faritra, izay mampiavaka ny faritra iray amin' ny faritra hafa. Mety ho isan-karazany ny endri-paritra, ka anisan' izany ny tany fambolena, ny zaridain' endri-paritra na tanin-javamananaina any anaty ala sy any an-tany efitra. Manana karazan' endri-paritra maro dia maro ny Tany, ao anatin' izany ny endri-paritra be ranomandry any amin' ny faritry ny tendrontany, ny endri-paritra be tendrombohitra, ny endri-paritra an-tany efitra midadasika, ny nosy sy ny endri-paritra amorontsiraka, ny endri-paritry ny ala mikitroka na ny ala tsotra toy ny ala an-tendrontany (na taiga) sy ny ala trôpikaly mado ary ny endri-paritry ny toeram-pambolena any amin' ny faritra antonony sy mafana. Ny endri-paritra dia jeren' ny maso indrindra, nefa ny fofona sy ny feo dia manova ny fomba fijery azy.
Jereo koa
hanova- Zavaboary - tontolo iainana - ala - toetrandro
- Jeôfizika
- tendrombohitra - havoana
- ony - renirano - farihy - dobo - ranomasina - zavamaniry - toetrandro
- olombelona - tanàna - tanimboly - zaridaina -
- ranomandry - tany efitra - nosy - morontsiraka