Ny Nosy Koky dia fanjakana vondronosy any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika tapany atsimo, izay eken' ny Firenena Mikambana nefa tsy mpikambana ao aminy, fanjakana miara-miasa malalaka amin' i Zelanda Vaovao, sahala amin' ny taon' i Nioe koa.

Sainan' ny Nosy Koky
Ny Nosy Koky a amin' ny Bolantany

Atao amin' ny teny maôry any amin' ireo nosy ireo hoe Kūki 'Āirani izy ary amin' ny teny anglisy hoe Cook Islands.

Ny Nosy Koky dia fanjaka-mpanjaka manaja antenimiera, mahafaoka ilay vondronosy mitonda io anarna io (Cook), ahitana vondrona roa: dia ireo Nosy Koky Atsimo, amin' ny teny anglisy, Southern Cook Islands, niforona avy amin' ny afotroa ny ankamaroany ary i Rarotonga no lehibe indrindra sady ahitana ny renivohitra sy tanàna lehibe indrindra Avarua, ary ireo Nosy Koky Avaratra, Northern Cook Islands, izay miforona avy amin' ny vatohara.

Nomena azy io anarana io ho fanomezam-boninahitra an' i James Cook, mpitaingin-tsambo britanika malaza, izay nitsidika ireo nosy ireo tamin' ny taona 1777, ilay vondronosy.

Jereo koa hanova